• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 7, 2025

๐Ÿ˜ƒ Aza adinoina fa eto aho!

Andro namoahana Jan 7, 2025

Takatrao ve fa tsy afaka mahita ny zavatra hitan’Andriamanitra ianao?

Indray andro, nisy raim-pianakaviana efa zokinjokiny teo alohako tao amin’ny mpivarotra mofo. Rehefa nanokatra ny poketrany izy, dia tsy nahita vola tao. Dia nivonona aho ny hanampy azy ka niteny hoe: “Avelao aho handoa ho anao. Raiso izay tianao!”

Herinandro taty aoriana, hitako indray izy tao amin’io fivarotana io ihany. Saingy, raha mbola niandry teo anefa izy dia niala an-daharana tampoka sady nilaza hoe : "Avy eo aho miverina". Afaka nampiako indray izy saingy nolaviny ary lasa faingana izy.Taty aoriana, hitako indray izy nitsiriritra ireo mofomamy teo amin’ilay mpivarotra. Nandroso aingana aho, niteny tamin’ny mpivarotra hoe: Omeo azy azafady izay tiany. Feno hafaliana izy nijery sy nifidy sombi-mofo roa. Nefa niteny indray izy hoe: Tsy afaka mandoa aho…Tamin’io fotoana io dia niteny tamim-pahatsoram-po aho: “Fa eto anie aho eee!” Fa maninona ary no tsy azon'ity lehilahy ity hoe maniry ny hanolotra fanomezana ho azy aho?Izany fehezanteny izany dia niverimberina tao am-poko koa. Tsaroako indray ireo tetikasa vaovao ninoako fa napetrak’Andriamanitra tao am-poko. Kanefa nieritreritra foana aho hoe: “Hatao ahoana ny hanatanterahana azy ireo?”. Nefa dia efa lazain’Andriamanitra ahy amin’ny fomba maro hoe hitarika ahy tsikelikely Izy. Toy ity lehilahy izay niaina izany isaky ny sabotsy, tamin’ny fotoana mety.

Raha mino ianao fa mahita izay tsy hitanao Andriamanitra, dia ho hainao ny mahatakatra ny zavatra tsy takatry ny hafa.

Andriamanitra dia efa niomana hanome anao izay ilainao, tsikelikely, amin’ny fotoana mety. Aza mandao ilay nofy napetrany tao aminao fa raiso ny teniny: “Aza adinoina fa eto Aho! Hanome anao tsikelikely izay rehetra ilainao Aho isan’andro! ”Satria tiako ianao!Na dia tsy mbola hitanao izao aza, dia efa nanomana ho an’ny ampitso Andriamanitra. Izany no antony ahafahanao mandeha amin’ny fahatokisana tanteraka!

Satria: “Izy no Mpiandry ahy; tsy hanan-java-mahory aho.” (Salamo 23:1)Fahagagana ianao !

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.