• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 20, 2023

๐Ÿ‘‘ Aza adino ny satroboninahitra !

Andro namoahana Sep 20, 2023

 

Iza no mpanjaka lehibe indrindra ara-tantara?

Nandritra izay andro faraparany izay dia nandinika ny tantaran’ireo mpanjaka lehibe indrindra teo amin’ny Israely sy Joda isika. Fa misy Mpanjaka iray hafa tiako hamaranana ity andiany ity. Eny, misy Mpanjaka iray izay tsy Mpanjakan’ny Isiraely hany, fa Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo koa. Azoko antoka fa fantatrao hoe iza no tiako ambara : Jesosy.

Namela ny voninahiny rehetra tany an-danitra Jesosy mba ho tonga eto amin’izao tontolo izao sy ho tonga olona toa antsika. Notanterahiny avokoa izay rehetra nambara mialoha momba Azy. Ary dia natolony ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana mba ho tonga ilay Mpanjaka Mpamonjy, ilay hany Mpanjaka teo amin’ny tantara rehetra izay vonona hatrany hanolotra ny ainy hamonjena ny olony. Ary noho ny fitiavany anao ry namako no nanaovany an’izany, amin’ny fitiavana madio no nanaovany izany.

Nanomana Fanjakana ho antsika Izy. Ary fantatrao hoe inona no zavatra tsara ankoatr’izany ? Nataony tonga mpanjaka koa ianao. Araky ny Baiboly dia nanao antsika ho “mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitsika izy ka hanjaka amin’ny tany » (Apokalipsy 5 :10). Tsy mahafinaritra ve izany ? Manomana zavatra mahagaga ho anao Izy.

Ry namako, hitaro ny Fanjakany eo amin’izay misy anao ankehitriny. Mitiava amin’ny Fitiavany, meteza ho fantsona hitondra fitahiana, ary avelao ny Fanatrehany hanova ny fiainana manodidina anao. Aoka isika hivavaka : « Tompo ô, ho tonga amin’ny fiainanay sy ny manodidina anay anie ny Fanjakanao. Amboary isan’andro izahay ary ampio izahay hitory amin’ny hafa momba ny Fanjakanao sarobidy, mba ho tsapany ny herin’ny Fitiavanao. Misaotra Jesosy manomana ny Fanjakanao hoanay ! Amen ! »

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.