Aza adino ny Fanahy Masina !
Ny fiainan’ny mpianatra dia niova tanteraka rehefa niaina ny Fanatrehana sy ny asan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainany izy ireo, araky ny hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faharoa.Mialoha ny hiaina izany dia nanana eritreritra ny hiverina amin’ny asany taloha na ny toerana nanaterahany ny sasany tamin’izy ireo. Rehefa nifanena tamin’i Jesosy, izay nitsangan-ko velona izy ireo, dia voatosika ny hijanona hiaraka hivavaka. Saingy rehefa nilatsaka tamin’ny fiainan’izy ireo ny Fanahy Masina vao tena nohavaozina izy ary niova tanteraka. Nanomboka tamin’io fotoana io dia lasa nitory sy nanao fahagagana mampitolagaga izy ireo. Vonona ny hanome ny fiainany ho an’i Jesosy izy.Miresaka ny maha zava-dehibe ny iainana ny « fanavaozan’ny Fanahy Masina » (Titosy 3:5) ny Baiboly. Maniry hanova ny fiainanao ny Fanahy Masina ary hameno azy amin’ny Heriny isan’andro, mba hahafahanao miaina ny finoanao ao amin’i Jesosy miaraka amin’ny fahasahiana nananan’ny Apostoly. Tsy mahafinaritra ve izany ?Eny ry namako, ho afaka ny hiaina ny fanavaozan’ny Fanahy Masina anie ianao amin’ny fiainanao isan’andro. Mangataha amin’ny Tompo ankehitriny : « Ry Andriamanitro, misaotra Anao aho amin’izay efa nataonao tato anatiko sy izay rehetra mbola ataonao. Mivavaka Aminao aho mba ho feno misimisy kokoa ny Fanahinao Masina ny fiainako ary ho feno herim-po toy ny an’ny mpianatrao. Misaotra amin’ny zavatra rehetra Tompo o ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !
