Aza adino ny epinara! 💪🏻

Tadidinao ny tantaran'i Popeye? Fony mbola kely aho dia nijery ireny sary miaina ireny tamin’ny fahitalavitra.
Tadidinao angamba ny tsiambaratelon'ny tanjaky ny Popeye: ny epinara. Isaky ny manana olana izy, dia maka epinara iray kapoaka, dia mitelina izany haingana, ary mibontsina avy hatrany ny sandriny. Izany no nanome azy ny hery rehetra nilainy. Tsy nisy na iza na iza nahasakana azy!
Ny finoantsika dia velomin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny epinara ny teny vakintsika na rentsika ao amin’ny Baiboly: manome antsika avy hatrany ny hery ilaintsika. Mba hanaovana izany anefa dia tsy maintsy esorina ao anaty boaty aloha ilay izy vao hohanina.
Hoy ny apostoly Paoly: “Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.” (Romana 10:17). Tsy hoe mamaky Baiboly fotsiny, fa mihaino an’Andriamanitra miresaka amintsika amin’ny alalan’ny teniny. Amin’ny alalan’izany no ahafahantsika mandray ny Fahamarinana rehetra sy ny zavatra ao anatiny. Amin’izay fotoana izay dia voakolokolo sy mihamatanjaka ny finoantsika. Rehefa mihaino ny feon’Andriamanitra ianao dia lasa tsy voazongozona ny finoanao!
Mamporisika anao aho haka minitra vitsivitsy hihainoana ny feon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny. Mila izany ny finoanao!
Homba anao Andriamanitra anio. Faly aminao Izy! Ary izaho ko =)

