☀️ Avelao ny fahatsaran'Andriamanitra hanaitra anao
Iray amin’ireo andian-teny ampiasain’ny Kristianina indrindra dia ny hoe “tsara Andriamanitra”. Ary na dia fantatsika rehetra aza fa tsara Izy, ny fahasahiranana andavan’andro sy ny lainga izay ezahan’ny fahavalo apetraka eo amin’ny fiainantsika dia mahatonga antsika hisalasala ny amin’ny Fahatsarany.
Ny fahavalo dia miezaka foana hanimba ny fahatsaran’Andriamanitra, mba hahatonga antsika hisalasala ny amin’ny toetran’Andriamanitra, sy mba tsy hananantsika firaisana lalina Aminy, na hahatsapantsika ny Fitahiany feno eo amin’ny fiainantsika.
Kanefa rehefa afaka manafaka ny tenantsika amin’ireo lainga ireo isika ary manaiky sy manambara amin’ny fo manontolo ny fahatsaran’Andriamanitra amintsika, dia misy zavatra mahagaga mitranga ao anatintsika!
Eny tokoa, ao amin’ny Testamenta Taloha, iray amin’ireo hira nahery sy nalaza indrindra teo amin’ny Zanak’Isiraely dia ny Salamo nataon’i Davida manao hoe: “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony!” (1 Tantara 16:34).
Koa rehefa vitan’i Solomona zanany ny nanorina ny tempoly tao Jerosalema izay hitoeran’ny Vata misy ny Fanatrehan’Andriamanitra, tamin’ny andro nitokanana ny tempoly, dia nisy zavatra mihoatra ny mahazatra nitranga.
Hoy ny Baiboly: “ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;” (2 Tantara 5:13).
Rehefa nanambara ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny famindram-pony izy ireo, dia nanjary nahery tokoa ny Fanatrehany ka nameno ny tempoly iray manontolo!
Ry namako, mameno ny fiainantsika ny fahatsaran’Andriamanitra, ary arakaraka ny ahafantarantsika izany no ahatsapantsika ny Fitiavany sy ny Fanatrehany ao anatintsika!
Anio, manolora-tena hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo noho ny Fahatsarany rehetra taminao, ary avelao ny Fanatrehany hanohina anao ao am-ponao lalina rehefa manao izany ianao.
Ary koa, satria nahazo fitahiana avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ianao, nahoana raha mizara izany soa izany amin’ny olona manodidina anao koa ianao? Mamporisika antsika toy izao ny Teny: “Koa raha mbola misy andro hanaovana izany, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny rahalahy ao amin’ny finoana.” (Galatiana 6:10).
Enga anie ny fiainanao amin’izao andro izao dia hisy fiantraikany lehibe amin’ny hatsaram-panahy sy fitahiana goavana eo amin’ny fiainan’ireo manodidina anao, ka hahatonga azy ireo haniry ny hiaina ny Fitiavana sy ny Fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.
