• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 15, 2025

🔥 Avelao ny Afon’Andriamanitra hitarika anao!

Andro namoahana Jan 15, 2025

Iray amin’ny zavatra anisan’ny mampalahelo ny olona alohan’ny hahafatesany matetika ny hoe tsy mba nananany fahasahiana bebe kokoa teo amin’ny fiainany.Samy manana tahotra isika tsirairay. Saingy rehefa mipoitra ao anatintsika ireo tahotra ireo, mora amintsika ny manary ny nofinofintsika na ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, mba hahatsapana fiadanana vetivety sy fiarovana.Kanefa, Andriamanitra dia efa nanomana zavatra lehibe kokoa ho antsika. Jereo izay nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, zanany ao amin’ny finoana: “Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” (2 Timoty 1 :6-7)

Ao anatintsika, Andriamanitra dia nametraka afo izay manosika antsika haniry ny hanao ny sitrapony, hitahy ny hafa, ary hivoaka amin’ny faritra mampahazo aina antsika mba hiaina ny heriny sy hahita ny fahagagana ataony.Marina hoe indraindray mampatahotra ary mila finoana sy herim-po. Fa io Fanahy io, izay nomen’Andriamanitra antsika, no mitoetra ao anatintsika: Fanahy mahery, feno fitiavana, faharetana ary fifehezan-tena.Andriamanitra tsy niantso antsika ho saro-tahotra na hifanaraka amin’ny fisainan’izao tontolo izao. Hoy Jesosy: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.” (Marka 8 : 35)

Ry namako, aza avela hanimba ny fiainanao ny tahotra! Fa avelao hirehitra ao aminao ny afon’Andriamanitra. Avelao Izy hitarika anao, haneho aminao ny lalana ary hampahafantatra anao izay rehetra tiany hotanterahina eo amin’ny fiainanao.

Anio, ataovy ny dingana voalohany araka izay hitarihany anao! Mivavaka aho mba hanatanterahanao azy ireo am-pahatokiana, amim-pitiavana ary amim-pahasahiana, ho voninahitr’ilay Anarany Masina.Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.