• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 17, 2025

Avelao izy hihazakazaka... 🏃‍♂️

Andro namoahana Okt 17, 2025

Efa nahita kary ve ianao? 😬 anisan’ny biby tsy tsara hifanenana indrindra ireny…

Tsaroako ity horonan-tsary iray izay hitako fony aho mbola zaza. Tantarana zaza roa avy tao amin’ny tanàna afrikanina iray izay very. Soa fa nampianatra azy ireo ny rainy hoe rehefa mifanena amin’ny kary dia tsy maintsy miloloha zavatra, na inona na inona, mba ho lava kokoa noho ilay kary. Amin’izay dia matahotra ilay kary ka mandositra. Ny tena nampihomehy indrindra tamin’ilay tantara dia rehefa nanongotra hodi-kazo ilay zaza iray, ka niloloha izany. Saika nahomby ny tetika, kanjo tapaka tampoka ilay hodi-kazo. Tamin’izay fotoana izay, tokana ihany no vahaolana ho azy : mitsoaka!

Hoy ny Baiboly : “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo.” (I Petera 5:8-9), tsy voatery hoe tsy maintsy manoloana “liona” ianao. Tsy voatery koa hoe tsy maintsy lava kokoa na mahery kokoa noho izao. Tsy voatery mitsoaka ianao, fa afaka miatrika ilay fahavalo am-pinoana, ka manohitra azy anio amin’izao maha ianao.

Hoy koa ny Jakoba 4:7 hoe “Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” Mampandositra ny devoly ny finoana anatinao!

Ambarao manomboka izao ireo teny fikasan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, ary alaviro amim-pinoana ireo tahotra sy lainga tian’ilay fahavalo hahazo anao. Manoatra noho ny mpandresy ianao ao amin’i Jesosy!

Eric CĂŠlĂŠrier
Mpanoratra

Eric CĂŠlĂŠrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.