• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
Andro namoahana Mey 13, 2025

😄 Avelao ho voatahy amin’ny alalan’ny teninao ianao!

Andro namoahana Mey 13, 2025

Ny fahafahana mankafy ny fiainana tsotra, marina, tena izy, dia tena sarobidy
 Te hiaina toy izany bebe kokoa aho amin'ny zavatra rehetra ataoko! Ary ianao ?

Ary izany indrindra no fototr’ity andalan-teny hodinihintsika mandritra ny herinandro ity: aoka isika hohavaozina amin’izany fahamarinana vaovao izany. Arak’izany, ity Soratra Masina voalohany eto ity dia milaza tahaka izao :“Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana
” (Filipiana 2:14).

Ny fifosana sy ny fifandirana dia vokatry ny nofo. Eny tokoa, tena tsy rariny, satria dia mamadika ny fikasantsika amin’ny alalan’ny tenintsika isika. Tokony hitahy sy hanome fiainana isika, fa raha mampiasa ny tenintsika amin’izany fomba izany isika, dia lasa fitaovana ho an’ilay ratsy ny tenintsika.

Ity andinin-teny iray ity koa dia miresaka momba ireo olana ireo: “Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:16).

Ny fifosana sy ny fialonana ary ny fifandirana dia mitondra antsika ho lavitra ny fon’Andriamanitra ka mitarika antsika ho amin’ny fikorontanana sy ny fanao ratsy, araka ny voalazan’ity andalana ity. Raha ny marina dia manasarotra ny zava-drehetra izany ary manasarotra ny fiainantsika! Rehefa manomboka mieritreritra sy miteny zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika dia mania ka manokatra varavarana ho amin’ny ozona eo amin’ny fiainantsika.

Ny ratsy, ny fahatezerana, ny fanoherana dia poizina ho an'ny fiainantsika. Izany no mahatonga ity andalan-tSoratra Masina ity milaza fa tokony hanao ny "ZAVATRA REHETRA" isika tsy misy fanaratsiana na fifandirana.

Na dia amin’ny tsy rariny aza dia tsy maintsy manao ezaka mihoatra isika, na miaritra toetra tsy ara-drariny avy amin'ny hafa aza
 amin'izany fotoana izany, aoka tsy hisy fitarainana, fifosana, fahatezerana, na fifandirana ao am-ponao. Ho solon’izany rehetra izany, tsory ny zava-drehetra, manomboha mijery an’i Jesosy, ary misaora Azy noho ny fiarahany aminao, ao anatin’izao toe-javatra sarotra izao.

Ry namako, enga anie ny teninao ho loharanom-pitahiana, amin'ny fotoana rehetra! 

Amin'ny Anaran'i Jesosy, manana fahefana hanova ny toe-javatra rehetra ho fahafahana hanome voninahitra an'Andriamanitra ianao. Aza avela hanimba ireo fotoana ireo ny vavanao na ny fihetseham-ponao: fa avelao ny teny sy fihetsika feno hatsaram-panahy hanova izany zava-misy izany, mba ahafahanao miaina ny fitahiany amin’ny fotoana rehetra.

Mitondra anao am-bavaka sy ao am-poko aho,

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra