đ Avelao Andriamanitra hitarika anao!

Manantena aho fa efa mahita fiovana eo aminâny fiainanao ianao, taminâny fanombohanao nivavaka bebe kokoa sy nandray fanapahan-kevitra tsikelikely hanatsarana ny fotoana famakiana Baiboly isanâandro.
Araka ny efa nolazaiko taminao tato anatin'ny andro vitsivitsy izay, ny dingana kely ataontsika tsy tapaka dia manana hery hamorona fiovana lehibe eo amin'ny fiainantsika mandritra ny fotoana maharitra. Ary tsy ho amin'ny fotoana maharitra ihany, fa amin'ny fotoana antonony sy fohy ihany koa.
Tiako isika raha hifantoka aminâny lafiny fahatelo anio: ny famelana ny tenantsika hotarihanâny FanahinâAndriamanitra.
Hoy i Jesosy ao aminâny Filazantsara: âNy rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.â (Jaona 3:8).
Aminâny maha-zanakâAndriamanitra antsika, dia tsy noforonina hifehy ny fiainantsika hatraminâny antsipiriany isika ka hanao ny zava-drehetra ho antsika: fa mifanohitra aminâizany, nohariana isika mba hotarihanâAndriamanitra.
Izany no nahatonga antsika nanolotra ny fontsika ho Azy sy nanao Azy ho Tomponâny fiainantsika : satria Izy no te-hitondra ny fiainantsika. Izy no Tompo, ary zanany malalany isika.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra aho hoe tena zava-dehibe ny famelana ny Fanahy Masina hitarika aminâny zava-drehetra, eny fa na dia ny antsipiriany madinika indrindra aza... ary azoko antoka fa tsy misy azo ampitahaina aminâizany!
Tena mahafinaritra ny mahatsapa ho akaiky anâAndriamanitra sy ny manontany Azy momba ny fanapahan-kevitra faranâizay kely raisintsika isanâandro! Mitarika antsika hahatsapa bebe kokoa ny Fanatrehany sy hiankina bebe kokoa Aminy izany.
Rehefa mihaino ny feony sy mankatĂČ izay lazainy amintsika isika dia afaka mahatsapa ny heriny eo aminâny fiainantsika!
Ny fivavahana mialohan'ny hanaovana zavatra dia iray amin'ireo dingana voalohany azontsika atao mba hifandraisana amin'Andriamanitra sy hamela ny tenantsika hotarihana isan'andro. Mety ho vavaka fohy ao anatinâny segondra vitsy ahafahantsika maneho Aminy ny hetahetantsika Azy sy ny halehibenâny faniriantsika hampifaly Azy aminâizay hataontsika.
Alaivo sary an-tsaina hoe ahoana no hanovanâAndriamanitra ny fomba fijerinao sy ny fomba fanaovanao zavatra, raha toa ianao ka nanome Azy anâio fotoana io alohanâny asa tsirairay ary nifantoka taminâny Fitarihany! Tsy isalasalana fa hanomboka hiaina ny fitahiany aminâny fomba mihoa-pampana ianao.
Tiako ity andinin-teny hafa ity izay milaza hoe: âAnkino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.â (Ohabolana 16:3). Eny, rehefa ankininao Aminy ny zavatra rehetra ataonao dia manorina ny fisainanao Izy ary mampiseho anao ny tokony hatao sy ny fomba hanaovana izany, mba hahazoanao fitahiana aminâny farany. Tsy mahafinaritra ve izany?
Te hitari-dalana anao sy te hanao zavatra lehibe eo aminâny fiainanao Andriamanitra! Mamporisika anao aho hanomboka aminâny dingana kely : atombohy aminâny fangatahana aminâAndriamanitra mba hitari-dalana anao aminâny asa rehetra hotanterahinao anio. Angataho Izy mba hanome anao fahatongavan-tsaina hatrany ny Fanatrehany sy mba hahafahanao mamantatra tsara kokoa izay tiany hataonao aminâny fotoana rehetra.

