• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 23, 2023

✋🏻Avelao Andriamanitra hametraka ny Tanany eo aminao !

Andro namoahana Nov 23, 2023

 

Efa nahatsiaro tena toy ny efa tonga any an-danitra ve ianao rehefa mihaino hira iray ?

Misy fotoana aho mahatsapa izany rehefa mivavaka iny, miaraka amin’ny mozika sy zava-maneno mandeha ao ambadika.

Tamin’ny andro fahiny, dia nantsoin’ny mpanjakan’ny Isiraely i Elisa mpaminany mba hanontany azy raha tokony handeha hiady izy. Nangataka tamin’ny mpanjaka i Elisa mba hitondra mpihira (mpitendry zava-maneno) mba hahafahany mitendry eo anatrehany.

Tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy ny playlist Spotify na YouTube. Noho izany, raha mila mozika ianao dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mangataka olona hilalao, na mianatra mitendry zava-maneno ny tenanao =)

Hoy ny Baiboly « Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah » (2 Mpanjaka 3:15), ary tamin’izay izy no nanomboka naminany.

Ny mozika no nanampy azy hifandray amin’Andriamanitra, hanokatra ny fony handray izay tiany holazaina aminy.

Azonao sary an-tsaina ve hoe manao ahoana ny fideranan’ ny Lanitra? Tena feno voninahitra fotsiny izany! Amin’ny alalan’ny fiderana no ahafahantsika miaina ety an-tany ny endriky ny fiainana any an-danitra izay manentana sy manohina ny fontsika.

Ry namako, alefao ny mozika! Ankafizo ny fotoana rehetra rehefa miasa, rehefa miala sasatra na mandeha amin'ny fitateram-bahoaka, mba hahafahanao manantanteraka ny fiderana ao ambadika.

Anio, hiaino tanteraka ny fanatrehan’Andriamanitra.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.