Avelao aho hampahatsiaro anao an’ izao,
“Tsy haiko intsony izay fomba hinoako izany ho an'ny tenako.…”
Vao avy namoaka lahatsary iray aho tao amin’ny tambajotra sosialy, mba hampahery ny tsirairay hifikitra amin’Andriamanitra, indrindra rehefa mavesatra loatra ny zava-drehetra. Nefa sarotra tamin’ity tovovavy reraka ity ny nino fa hiditra an-tsehatra Andriamanitra.
Mety ho toy izany koa ve no tsapanao amin’izao fotoana izao ?
Mivavaka ianao, nefa toa tsy misy miova. Manohy mandroso ihany ianao, na dia efa tsy manam-kery intsony aza, kanefa na izany aza, toa mijanona eo amin’ny toerana iray ihany ny toe-javatra iainanao.
Manoratra aminao aho anio momba izany, satria te hanatanteraka tsotra fotsiny ilay nanirahana ahy eto an-tany aho, dia ny hampahery anao ! Ary tsy mampahery anao avy amin’ny lalana milamina sy mahitsy aho, izay mandeha tsara daholo ny zava-drehetra, mba hilaza hoe : “oeeee, hahavita koa ianao, mahereza !”
Tsia. Te hampahery anao amin’ny fandehanana miaraka aminao fotsiny aho. Satria izaho koa dia mahalala ireo andro tena mampahory sy mandreraka, izay ahitako, etsy ankilany, fa hanome teny tsara sy mahafinaritra ho antsika rehetra Andriamanitra, nefa miaraka amin’izany koa, tena mila fanavaozana ny heriko sy ny eritreritro aho..
Impiry aho no nivavaka – na dia tamin’ny fialan-tsasatra aza – hoe : “Tompo ô,mba havaozy ny heriko, fa na dia ny hafaliako aza tsy toy ny taloha intsony…”
Ary fantatrao ve, na i Davida aza dia niaina izany fahatsapana izany, rehefa nilaza izy hoe : “Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.”(Salamo 77:2)
Fantaro izao : Tsy hahatsapa foana ny fanatrehany ianao, nefa eo foana Izy !
Izany no fampanantenany : “indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.” (Matio 28:20)
Koa anio, fidio ny hino ny fampanantenany mihoatra noho ny fihetsem-ponao. Satria miambina anao Izy. Mijery anao Izy, amin’ny fitiavana.