• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 14, 2026

Avelan’Andriamanitra hisy ny fisarahana satria…

Andro namoahana Jon 14, 2026

“Oh, nahoana izy no manao toy izany?”

Efa nieritreritra an’izany momba ny pasitera, mpitarika na olona iray izay mizara ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy mitovy amin’ny anao ve ianao?

Mino aho fa efa nisy izany 😉 Satria vitsy no tena hahatakatra tsara ny finoana mitovy tanteraka amin’ ny fahatakaranao izany.

Andriamanitra dia miteny amin'ny fomba manokana amin’ny tsirairay, mba tena ho talanjona isika! ✨✨

Na dia tao amin’ny fianakaviako aza, dia nila taona maro izahay vao nahatakatra izany.

Kanefa , raha jerena ety ivelany dia tsy voatsikaritray izany. Tao amin'ny fiangonana iray ihany izahay rehetra, tarika iray ihany, Scouts Royal Rangers iray ihany, fikambanana tanora iray ihany… Saingy tamin'ny fomba maro samihafa no niatrehana izany!

Ary nitondra anay taiza izany? Raha tsorina dia: amin'ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fifankahazoana izay niparitaka hatrany amin'ny fiaraha-misakafon’ny mpianakavy. 🫣

Tena tsy maintsy "nipoaka" imbetsaka 😬 vao nahatakatra fa Andriamanitra dia manoritra lalana manokana amintsika tsirairay avy. Ary tsy maninona na tsy miara-mandeha amin'ny lalana mitovy aza.

Anio, taona maro aty aoriana, dia fantatsika ny fitahiana lehibe izay tonga rehefa manaraka ny lalana efa nomanin'Andriamanitra ho azy ny tsirairay! 🙌🏻

Ohatra, ny iray amin'ireo anadahiko dia tsy haniry mihitsy ny hisehatra eo amin’ny tambajotran-tserasera tahaka ahy. Tsy latsa-danja noho ny ahy anefa ny asa nanirahana azy. Manokan-tena ho an’ireo olona sahirana sy tsy manan-kialofana izy. Tsy mila miresaka momba izany izy - fa tonga dia miasa fotsiny. ❤️

Raha nijanona niara-nipetraka foana izahay “na ahoana na ahoana,” dia tsy ho sambatra : “Izaho ilay  mpitabataba” dia miha-mangina, ary ny anadahiko “be tsy miteny” dia vao may nihataka lavidavitra kokoa… Ankehitriny, ny tsirairay dia miaina tanteraka ny antso nomen’Andriamanitra azy, ary izany indrindra no ankalazaina amim-pifaliana rehefa mivory ny mpianakavy! 🎉

Azonao ve izay tiako holazaina aminao?

✨ Andriamanitra dia mamela ny fisarahana sasany hanokatra varavarana vaovao.

Satria: “..samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika” (Romana 12:6).

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.