• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 16, 2025

🧼 Atsaharo tanteraka ny firoroan-tsaina !

Andro namoahana Feb 16, 2025

Tonga amin’ny andro farany amin’ity andiany hiresahana momba ny firoroan-tsaina ity isika. Ary anio dia handinika ny andininy tena tiako ao amin’ny Baiboly isika manao hoe : “ Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.” (Jakoba 4:8).

Mbola i Jakoba ihany no miresaka momba ny firoroan-tsaina eto, ary ataony amin’ny fomba mahaliana izany: maneho hetsika mazava amintsika izy izay tokony hotanterahintsika. 

  • Raha maniry hanakaiky an’Andriamanitra ianao dia mila ianao no manatona Azy. Isika no manao ny dingana voalohany!
  • Raha te hitsahatra amin’ny ota ianao dia mila diovinao ny tananao izay midika hoe miala amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Eto koa dia hetsika mazava tokony hatao izany. 
  • Ary raha te ho afaka amin’ny firoroan-tsaina ianao dia io andininy io milaza ny tokony hanadiovanao ny fonao. 

Mahaliana e? Raha jerena am-boalohany dia toa tsy olan’ny fahadiovam-po ny firoroan-tsaina fa resaka fandraisana fanapahan-kevitra na mety hoe fandresen-dahatra.

Fa raha dinihintsika tsara dia ireo fanapahan-kevitra sy ireo fandresen-dahatra ireo dia teraka tao anatintsika lalina ny tena marina, izay afaka antsointsika hoe ny fontsika. 

Ka noho izany, raha te ho afaka amin’ny firoroan-tsaina ianao dia diniho ny ao anatinao. Inona ireo zavatr’izao tontolo izao izay natao tao am-ponao? Inona ireo lainga, tahotra, fisainana, toetra na ireo izay navelanao niditra tao am-ponao na nandoto azy ankehitriny?

Raha te hahita an’Andriamanitra sy hanao zavatra am-pahamarinana dia mila mihazona ny fo hadio isika (Matio 5:8): toetra izay misafidy hiala amin’izay avy amin’ny haizina ary hifikitra amin’Andriamanitra avy ao anaty lalin’ny fo.

Ry namako, farano anio ny firoroan-tsaina eo amin’ny fiainanao! Manasa anao aho haka fotoana eo amin’Andriamanitra mandritr’ity tontolo andro ity ka handinika ny fonao ary hangataka Aminy mba hanampy anao hahita ireo tokony ho ahitsy.

Tia anao loatra Izy ary maniry mafy ny hanafaka anao amin’ireo loto ireo mba hiainanao feno ny fanavaozan’ny Fanatrehany! Sady koa mahatsiaro sambatra ery rehefa tsy miroroa saina ny fanahintsika, fa miaina amin’ny fo iray, fanahy iray ary manao ny asa am-pahamarinana! Mankahery anao aho hanomboka dieny anio hankamamy izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.