Atreho ny fahavalonao!

Ny andalan-teny amin’ity herinandro ity dia milaza fa ny fahavalo dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany…” (1 Petera 5:8).
Hitantsika omaly fa ny fahavalo dia ampitahaina amin’ny liona izay mitady handrebireby sy hamitaka antsika ary hanakorontana antsika amin’ny alalan'ny “fierony”.
Ny manaitra ahy ao amin'ny andinintsika androany dia ny hoe "mandehandeha" ny fahavalo, ary "mitady" olona izay manaiky ho rembiny.
Midika izany fa tsy ny olona rehetra hitany no tafihany fa rehefa tsapany fa misy olona sarotra ny mahazo azy dia mandeha mitady any an-kafa izy mandra-pahitany olona mora samborina.
Toy izany koa ny fanaon'ny fahavalo: kanosa ny fahavalo ary tsy misambotra hafa tsy izay hitany fa malemy sy tsy mahatohitra azy izy.
Sahala amin'ireo ankizy sasany any am-pianarana izay miseho mampatahotra sy manaraotra ireo ankizy heveriny fa malemy toetra, kanefa raha hifanatrehana dia matahotra ary tsy sahy manadala intsony fa mitady olon- kafa indray hatao lasibatra.
Arak'izay voalazan'ilay andian-teny, te handrapaka anao ny fahavalo. Te haka ny fanananao izy, te hangalatra , hamono anao sy hamotika ny fiainanao manontolo, amin'ny alalana karazana aretina maro, toe-javatra tsy ara-drariny, loza samihafa, fakam-panahy , fisavorovoroana sy karazan-javatra maro toy izany.
Mety efa ela ihany koa ianao no nanomboka miaina karazana fanafihana toy izany. Tianao hitsahatra amin'ny fonao manontolo izany kanefa tsy hainao ny zavatra tokony hatao amin'izany.
Ry namako, manana hery sy fahefana hanakana izany rehetra izany ianao amin'ny anaran'i Jesosy! Ny vahaolana dia ny fanoherana ny fahavalo amin’ny fiorenana mafy amin’ny finoana. Ao anatin'ny andro manaraka dia ho zaraiko aminao ireo fanalahidy hafa, izay hinoako fa hanampy anao hiaina ny fandresen'i Kristy eo amin'ny fiainanao.
Araho tsy tapaka ny hafatra manaraka izay zaraina eto! :)
Ato am-bavako sy ato am-poko manokana ianao.

