• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 29, 2025

❌ Ateista iray sy Kristianina iray

Andro namoahana Jol 29, 2025

“Iray amin’ireo teknisianina ato amin’ity Fiangonana ity ve ianao ?” Izay no fanontaniana napetrako tamin’ilay tovolahy iray izay efa tao amin’ny efitrano nandritra ny fanomanana ny fampisehoana nataoko mivantana. Toy ny tifitra poa-basy no nandraisako ny valin-teniny : “Tsia, tsy mino an’Andriamanitra aho.”

Noho ny fepetra napetraka tamin’ny aretina Covid, dia vitsy dia vitsy no olona teo an-toerana, ary gaga aho nahita fa dia lehilahy tsy mino no nipetraka teo anoloako teny ambony lampihazo. Rehefa tapitra ny fampisehoana dia hoy aho taminy : “ Tianao ve ilay izy teo ?”

Niezaka nitady ny teny mety izy… “Raha ny marina, hafakely ilay izy… Tena lavorary ny zava-drehetra. Ny feo, ny mozika, ny zava-drehetra… fa izao, ny tena nahagaga ahy dia ny hafaliana sy ny famirapiratanao. Ahoana no ahafahanao miaina toy izany, rehefa jerena ny zava-drehetra niainanao ?”

Ny famirapiratanao no hanokatra ny varavaran’ny fo mihidy, ilay fo izay tsy afaka nisy nanakaiky intsony !

Matetika aho anontaniana hoe nahoana aho no feno hafaliana sy famirapiratana toy izany ? Dia tsaroako indray ireo fotoana maro nipetrahako tao an-tranoko nitomany mafy. Na ilay vanim-potoana niainako fahaketrahana lalina, ka tsy nisy tsiky intsony nandritra ny volana maro. Na ilay fotoana niharan’ny olana ara-tsakafo aho, ka tsiky sandoka sisa no niseho !

Inona ary no antony tsy nijanonako tamin’izany? “fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8.10)

Angamba efa imbetsaka ianao no nandre io andininy io, fa inona no dikan’izany ho anao amin’ny fiainana andavanandro ? Inona moa no atao hoe fifalian’ny Tompo ? Mivelatra amin’izay teneninao sy ambaranao amin’ny feo avo izany :

Fantatro fa Jesosy no Mpamonjy ahy ! Fantatro fa tsy ho very mandrakizay aho ! Fantatro fa tiana aho ! Fantatro fa eo an-tanany ny ankehitriny sy ny ampitsoko !” Afaka tohizako hatrany izany, dia mitombo avy hatrany ny tsikiko, ary tsapako fa miverina mamirapiratra aho !

Manasa anao aho hanao toy izany koa ! Lazao amin’ny feo avo ireo fahamarinana ireo ary angataho amin’Andriamanitra mba hamenony anao amin’ny fifaliany, izay tsy vitan’ny hoe mora mandaitra amin’ny hafa, fa mety hanova tanteraka ny manodidina anao koa aza !

Ny fanambarana ny Fahamarinany dia mitondra antsika hanambara ny hatsaram-pony, ary mahatonga antsika hamirapiratra !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.