• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 2, 2025

👣 Ataovy ny dingana voalohany mankany amin’ny fitahinao!

Andro namoahana Feb 2, 2025

Tonga eto amin’ny famaranana ity lohahevitra momba ny fianakaviana sy ny fifandraisana amin’ny ankohonana ary ireo mpianakavin’ny finoana isika. 

Anio aho dia te hiresaka manokana momba ireo olona mahatsiaro irery. Tsy noharian’Andriamanitra ho irery isika. Ny fidirantsika anaty vondrona sy ny fahafahana mizara ny fiainantsika amin'ny olona dia tena zava-dehibe!

Mety mipetraka irery ianao fa tsy midika izany hoe tena irery ianao. Jereo anie ny fampaherezan’Andriamanitra anao ao anatin’ity andian-teniny ity e. Izao no ambarany: “Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy…” (Salamo 68: 6)

Te hampahomby anao amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, anisan’izany ny fahafahanao mahatsapa hafanana anaty fianakaviana eo amin’ny sehatra samihafa. 

Arak’izany, handeha hojerena ny nomeny anao:

  • Manana Ray mandrakizay sy be fitiavana ianao, eo anilanao 24 ora isan’andro, ary azonao hiresahana sy hizarana ny ao am-ponao amin’ny fotoana rehetra.
  • Manana fianakaviana izay nipoiranao ianao, na dia mety tsy mifandray akaiky aminao araka izay irinao aza.
  • Manana rahalahy sy anabavy maro ianao, izay afaka hanana fifandraisana akaiky aminao sy  hanatanteraka ny fanompoana an’Andriamanitra anatin’ny fiangonana. 

Ankehitriny, te hizara torohevitra farany aminao aho , izay tena nahasoa ahy teo amin’ny fiainako: aza miandry ny hafa hanatona anao voalohany, fa ianao no aoka hanao ny dingana voalohany. 

Mora mahatsiaro manirery isika sy tafalatsaka anaty toe-tsaina mitondra antsika hitoka-monina sy tsy hifandray aman’olona, kanefa izany toe-javatra izany dia mainka hitarika anao hanirery sy hampisavoritaka ny fiainanao! 

Ry namako, manana zavatra marobe homanina ho anao Andriamanitra, anisan’izany koa ny fanananao fifandraisana amin’ny hafa! Afaka mamadika ny zava-misy ianao ankehitriny ary hanomboka “hitoetra” miaraka amin’ireo ankohonana sarobidy efa nomanin’Andriamanitra ho anao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.