• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 9, 2026

Ataovy noho ny fitiavana ❤️

Andro namoahana Mar 9, 2026

Efa alina be, nisy namako iray nanoratra tamiko hoe : «Efa mba maka aina tsara eo ambony seza izany ianao izao ? » 🛋️

Ohh, tena eo mihitsy no tiako ho nisy ahy ! Mafy be ny herinandro, ary efa nandrasako fatratra io fotoana io. Fa ireo vahiniko – izay nahafaly ahy ny nahita azy ireo indray – dia toa tena nahazo aina loatra ka tsy te-hody intsony. Nitohy hatrany ny fotoana…

Fantatrao tsara angamba izany toe-javatra izany, sa tsy izany ?

Nanoratra valiny tamin’ny findaiko aho hoe : « Tsia, tena tiako tokoa ny ho eo ambony seza… fa mbola ato foana izy ireo. » Avy eo dia nanampy fehezanteny iray aho, izay nalefako ihany na dia tsy nampahazo aina ahy aza : «Fa tsy maninona e. Teo foana izy ireo ho ahy. Ankehitriny, afaka ny ho eo ho azy ireo koa aho. » 😬

Ahhhh… misy zavatra manelingelina ahy ao anatin’io fehezanteny io… ary tsapako avy hatrany izany ! Ilay fahatsapana ao anatinao lalina ao, ilay tosika kely avy amin’ny Fanahy Masina…Izao tontolo izao dia mampianatra antsika hoe : aoka isika ho eo fotsiny ho an’izay manao soa amintsika. Fa Andriamanitra kosa miantso antsika hanompo, nefa tsy miandry valiny.

Tsy izany indrindra ve no nataon’Andriamanitra ho antsika ?

👉 « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. »  (Romana 5.8)

Tsy nanao na inona na inona isika mba hahazoana ny fitiavany – ny mifanohitra amin’izany aza, very tao anatin’ny fahotantsika isika. Na izany aza, dia mbola tia antsika Andriamanitra. 😯 Tsy hoe satria nisy zavatra nataontsika ho Azy, fa noho ny fitiavana fotsiny. Ary mbola mihoatra noho izany aza Izy :

👉 «Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.» (Lioka 6.35)

Eny, tsy mangataka antsika fotsiny Andriamanitra mba ho eo ho an’ny namantsika… fa miantso antsika koa Izy hanao soa amin’ny fahavalontsika. Noho ny fitiavana fotsiny ! ❤️

Efa henoko sahady ianao hamaly hoe : «Ka… ka… !» Ary Andriamanitra kosa miteny aminao tsotra izao hoe : «Ataovy noho ny fitiavana.» Fantatrao ve ny tena dikan’izany ?

💡 Ny manao zavatra noho ny fitiavana dia midika hoe : « Ataovy amin’ny fotoanako, amin’ny heriko, amin’ny fanomezako, satria Izaho dia Fitiavana », hoy Jesosy. 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.