Ataovy maivana ny foko
Vao nahazo fangatahana vaovao aho hanao hetsika “Mozika sy Hafatra” ao amin’ny sekoly iray. Nifampiresaka kely izahay, ary vetivety dia hita fa mila mitondra fitaovana teknika vitsivitsy izahay. Raha atao teny tsotra, somary sarotra ihany izany : satria mila vola foana.
Sekoly maro no manana “vola tahiry” azony ampiasaina, na miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka eo an-toerana. Fa tao anatin’ny andro vitsivitsy taorian’io resaka io, tsy namela ahy ho tony Andriamanitra.
“Angony daholo izay ilaina. Tsy hoe izay farany kely indrindra ilaina fotsiny… Fa mitadiava fitaovana tsara sy teknisiana mahay. Dia mandehana any - ary aza mandefa faktiora.”
“Anh… Tompo ô, tiako Ianao, fa fantatrao marina ve ny vola ho lany amin’izao ?” Izay no valinteniko feno fisalasalana, na dia mora matoky an’Andriamanitra aza aho amin’ny ankapobeny.
Fa raha jerena marina, dia misy foana io fetra io - rehefa toa lehibe loatra ny vola, na mihoatra lavitra noho izay efa zatra omena. Dia izany indrindra no nivavahako teny an-dalana : “Tompo ô, ataovy maivana ny foko. Te ho vonona hatoky Anao kokoa sy hanome bebe kokoa aho !”
Teny an-dalana, samy nandefa toriteny ho henoiko ny reniko sy ny namako iray. Ary fantatrao ve ? Ireo toriteny roa ireo dia momba an’io lohahevitra io mihitsy ! Tao amin’izy ireo no namalian’Andriamanitra ahy :
“hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao” (Genesisy 12.2) . Izay ilay izy, mazava tsara izany.
Ary ianao koa, te hitahy anao Andriamanitra, sady hataony ho fitahiana ho an’ny hafa ianao! Na manome amin’ny ampahany amin’ny fitahiana azonao noho ny fankatoavana an’Andriamanitra ianao, na manome mialohan’ny hahitanao ny fitahiana efa nokasainy ho anao, satria :Izay mamafy no mijinja, ary izay manome fitahiana dia hotahina koa !