Ataovy laharam-pahamehana i Jesosy
Amin'ny vanim-potoana toy izao dia ohatrany tsy hitahita dia mivalona ny volana, hariva ny andro, tapitra ny taona, sns…
Eo anivon’izany dia tsy maintsy ataontsika laharam-pahamehana i Jesosy.
-
Rehefa vao mifoha dia IZY no tokony resahina voalohany indrindra ny tontolo andro.
-
Rehefa misy tetikasa atomboka dia IZY no hanontaniana voalohany ka izay asainy atao sy ny sitrapony no atao.
-
Raha mandalo olana dia IZY no antonina voalohany sy hakana torohevitra
-
Raha marary dia IZY no resahina sy hanakinana izany voalohany
Sns sns…
Laharam-pahamehana aminao tokoa ve Jesosy sa sanatria famenoana banga?
“Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” (Eksodosy 20:3)
Be dia be ny olona no lasa andevon-javatra amin’izao: ny vola, ny lamaody, ny sakafo, firavaka, fifandraisana, hira/mpihira, mety io vady mihitsy, sns sns… Fa nefa hoy ny Lioka 12:34 hoe: “Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.”
Atao ahoana moa ny harena? Kolokoloina, tandrovana tsara tsy ho potika, na simba na kiaka, asiana fiarovana manokana sao misy maka, mahavatra mikarakara sy jerijerena matetika, mahasaro-piaro,...
Jesosy ve no harenanao ary?
Raha IZY no ivon'ny fiainanao, dia ataonao laharam-pahamehana ny fifandraisanao Aminy. Satrinao foana haka fotoana eo an-tongony, hihaino Azy, hitady foana ny tiany fa tsy izay tianao.
Fa hoy ny Tompo aminao anio: “Maneke Azy Amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao” (Ohabolana 3:6).
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕