Ataovy fahazarana ny mankasitraka.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ataovy fahazarana ny mankasitraka.

Tsy haiko ianao raha toa ahy fa indraindray misy zavatra, toy ny ny lazain’ny fitenenana iray hoe “manitikitika” ahy, izany hoe manelingelina ahy na manakorontana ahy. Inona no fihetsiko manoloana ireo tranga ireo?
Misafidy … ny fankasitrahana aho fa tsy ny “toetra manohitra”. Misafidy ny hankasitraka ireo zava-tsoa nomen’Andriamanitra ahy aho fa tsy hitaraina.
Ohatra, angamba ny zanakao, na ny vadinao dia tsy araka izay noeritreretinao fa misy zavatra mety tianao kosa nefa eny aminy. Ankasitraho ireo zava-tsoa. Aza mifantoka amin’ireo izay manelingelina sy tsy mahafaly anao.
Ny Baiboly milaza fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany (Lioka 6.45). Raha feno fihetseham-po ratsy ao am-ponao ianao, dia hivoaka eo amin’ny vavanao izany ka vao maika hanaratsy ny toe-javatra misy.
Rehefa miaina amin’ny fankasitrahana isan’andro isika amin’ireo zavatra nomen’Andriamanitra antsika, dia, toy ny ray tsara fanahy, dia ampitomboiny eo amin’ny fiainantsika izany.
Androany, misafidiana ny hiaina am-pankasitrahana ry namako. Ataovy fahazarana eo amin’ny fiainana izany. Atomboy sy farano amin’ny fankasitrahana ny tontolo andro, ary aza avela hoe ireo “manitikitika” anao no hamaritra ny fihetsikao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!