• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 7, 2025

๐Ÿ‘‰ Ataovy eo imasonao ny fahitana!

Andro namoahana Apr 7, 2025

Omaly isika dia niresaka momba ny tenin'Andriamanitra iray izay fanta-daza, ny amin'ny maha zava-dehibe ny fananana fahitana ho amin'ny fiainana.

Mandritry ny andro vitsivitsy manaraka dia hifantoka bebe kokoa amina tenin'Andriamanitra iray hafa izay fanta-daza ihany koa isika mba handalinana tsara izao foto-kevitra tena mahafinaritra izao.

Ny tenin'Andriamanitra anio dia milaza hoe : “Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza*. [*Na: mba hihazakazahan'izy mamaky azy] Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:2-3)

Tiako raha mba hifantoka tsara amin'ilay tapany voalohany isika anio, izay manao hoe “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana…”

Rehefa manome anao fahitana iray Andriamanitra, sady maneho ny ampahany amin’izay anjaranao, ary koa ireo lalam-pinoana izay hiantsoany anao anio, ny mety indrindra tokony ataonao dia ny mandray izany fahitana izany an-tsoratra.

Eny, rehefa mandray zavatra an-tsoratra ianao dia lasa voarakitra tsara ao an-tsainao izany, satria miainga amina hevitra na eritreritra tsotra izany ho lasa zavatra azo tsapain-tanana kokoa.

Ny fandraisanao an-tsoratra izay hevitra mitsiry anatinao dia mitarika anao mba handalina izany, mba handahatra izany ho mazava kokoa… Raha azavaina misimisy kokoa dia mba hampivelatra izany fahitana izany mba ho tena azo tsapain-tanana. Tena ilaina izany dingana voalohany izany mba ho fampiharana ny fahitana.

Raha ny marina, ny tenin'Andriamanitra izay resahina anio dia sady mamporisika antsika handray an-tsoratra ny fahitana no hanokitra izany amin'ny takelaka ihany koa!   Ho antsika amin’izao vanim-potoana izao dia midika izany fa tokony atao sokitra sy ahantona amin’ny toerana miharihary izany, mba hahafahantsika manana izany mandrakariva eo imasontsika, satria Andriamanitra no hanatanteraka izany eo amin’ny fiainantsika.

Amin'io lafiny io, ny tera-tany anglisy dia mampiasa ny "Vision Board", tena mahaliana tokoa izany takelaka izany, izay ahafahanao manantona ny karazana singa rehetra, toy ny tenin'Andriamanitra, sary, teny fampanantenana fohy ara-baiboly, vavaka an-tsoratra…

Amin’izany fomba izany, rehefa mandalo anoloan’ilay takelaka isan’andro ianao, dia afaka mijanona kely hivavaka sy hanambara ny singa tsirairay, ka hijoro tsara amin’ny fahitana sy ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny fiainanao.

Ry namako, makà fotoana hanoratana ny an-tsipiriany rehetra momba ny fahitanao, ary apetraho amin'ny toerana manokana ao an-tranonao izany, mba hahafahanao mitazona izany mandrakariva eo anoloanao.  Ho fitahiana lehibe ho an’ny fiainanao izany!  =)

 Fahagagana ianao!

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.