• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 23, 2026

ATAOVY AO AN-TSAMBONAO JESOSY

Andro namoahana Sep 23, 2026

Volana vitsivitsy izay dia maro isika Malagasy no natahotra noho ireo resaka fakana an-keriny, famonoan’olona sns izay araky ny fitadidiko dia mbola tsy niaina toy izany isika. Tsy nampazoto ahy intsony ny nanokatra ny tambanjotra fa dia vaovao ratsy foana no tao. Anio tokoa, raha mandalo fahoriana ianao na misy amin’ireo akaiky anao anisan’ny niharan’izany dia mampahery anao manokana aho ary mivavaka ho anao. Aza misalasala koa mandefa hafatra aminay raha misy antom-bavaka fa raisinay an-tanan-droa ianao. 

Fa mety hoe misy fotoana izahay be asa ohatra ka tsy azo an-tariby fa anio dia misy iray milaza aminao hoe “Mangina, mitsahara”  (Marka 4:39)

Rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika dia tsy dia “mitsahatra” loatra. Kanefa haintsika koe fa na hanahy sy hihorohoro eo aza isika dia tsy misy fiovana ary matetika dia vao maika aza miha-mitombo ny olana. Midika hoe tsy ilaina ny fanahiana… ie, mila mijoro amin’ny finoantsika isika ary mibanjina an’i Jesosy. Io andininy ao amin’ny Marka 4 io dia miresaka amin’i Jesosy nampitsahatra ny tafio-drivotra, Ary anio dia hamafisiny aminao izany hoe na inona na inona endrika tafio-drivotra mety lalovanao dia izao fotsiny ihany :“Mangina, mitsahara”. Iee, mety hikiaka toa ireo mpianatra ianao hoe “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?”: (and 38) fa mariho tsara ny nataon’i Jesosy fa rehefa niantso Azy izy ireo dia nifoha Izy ary nampitsahatra ny tafiotra… ka teo noho eo ihany dia nitony ny rivotra. 

Mitsahara. Ataovy azo antoka fa ao anaty sambonao Jesosy amin’io ady io, eny amin’ny fiainanao iray manontolo mihitsy fa Hijoro Izy hampitsahatra izay endrika tafiotra eo. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny