Ataonao HO AN’Andriamanitra ve izany, sa MIARAKA AMIN’Andriamanitra ?
Ny zavatra ataonao ho an’Andriamanitra ve ataonao miaraka Aminy? Eny, mila averina indray : Ny zavatra ataonao ho an’Andriamanitra ve ataonao MIARAKA AMINY?
Taona maro lasa izay, rehefa nantsoina hoe “hotesse” aho 👩✈️🎤 ary niresaka be momba ahy ny tambanjotran-tserasera 🗞️, dia nandeha tamim-boninahitra aho, feno hafaliana tamin’izay nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainako !
Tao amin’ny fahitalavitra, teo anatrehan’ireo olo-malaza nihaonako, dia afaka nijoro vavolombelona aho nilaza fa tena zava-dehibe tamiko ny finoako ! Faly niaraka tamiko koa ireo namako kristiana.
Saingy vetivety dia nifarana io vanim-potoana io. Nilaza tamiko foana ilay mpamokatra hoe : “Ho vonona ve ianao, rehefa tapitra ity onjan’ny fahombiazana ity, hiondrika amin’ny lohalika sy hiasa am-pahanginana - tsy misy tehaka sy jiro manodidina ?”
Ary marina tokoa ny azy. Nandritra ny efa-taona taorian’izay dia nangina tanteraka ny zava-drehetra manodidina ahy. Tena niasa ary nandohalika - ara-bakiteny mihitsy aho.
Tsy maintsy takatro hoe NAHOANA Andriamanitra no nanome ahy sehatra lehibe toy izany. Ary tsapako fa tsy hoe ho faly fotsiny amin’izay nataony ho ahy izy.
Rehefa manao zavatra HO ANAO Andriamanitra, dia satria te hanao zavatra AMIN’NY ALALANAO Izy.
Ary izany no mbola tsy takatro tamin’izany ! Na dia i Solomona mpanjaka hendry aza dia mbola tsy nahatakatra izany - raha mbola nanorina tempoly lehibe HO AN’Andriamanitra izy ! Izany no nilazan’Andriamanitra taminy hoe :
“Ny amin'ity trano ataonao ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao; ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.” (1 Mpanjaka 6:12-13)
Te hanao zavatra ho anao Andriamanitra, ary amin’ny alalanao koa. Fa mbola zava-dehibe kokoa noho izany : Tiany hataonao MIARAKA AMINY izany, ao anatin’ny fifandraisana tena izy miaraka Aminy.
Ka avelao aho hametraka indray ilay fanontaniana aminao : Ny zavatra ataonao ho an’Andriamanitra, ataonao miaraka Aminy ve ?