• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 10, 2026

Asa tsara

Andro namoahana Nov 10, 2026

Tsy misy olona manamboatra zavatra izany ka hoe tsy misy tanjona na tsy misy antony angamba. Ohatra hoe ny mpanamboatra fiara iray dia manana tanjona hoe hisy hividy ny fiarany na ho raitra sy matanjaka kokoa noho ny teo aloha. Toy izany koa ny mpanao sakafo ohatra, mba ho matsiro sy ho voky tsara ny olona izay mihinana. Misy koa ireo mpamoron-kira izay maniry fatratra halaza sy ho tena matihanina ka hitety firenena maro…Eny, misy tanjona daholo ny zavatra rehetra. 

Hoy indrindra ny Efesiana 2:10 “Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy”. Andriamanitra rehefa namorona antsika tsirairay avy dia voalohany indrindra manana tanjona izy hiraisantsika - dia ny hanitatra ny Fanjakany - fa misy koa ny tanjona tsirairay miavaka ho an’ny olona tsirairay. Io ilay atao hoe “antom-pisiana”. Noforoniny tao amin’i Kristy Jesosy isika hanao asa tsara. Mila fantatrao izany inona no anjara andraikitrao ao anatin’io Fanjakany io. Toy ny antanan-tohatra anaty governemanta iray dia manana andraikitra ianao ary tsy hoe hanaonao foana fa hanao asa tsara ary izay no handehanantsika eo aminy. 

Inona ary ny andraikitrao? Inona ary ilay asa tsara tokony tanterahinao manokana? Nomeny talenta manokana isika, mety efa fantatrao ny anao, mety mbola tsy fantatrao koa nefa fa mila maka fotoana ianao mitrandraka izay. Tsy hoe mpihira daholo ohatra ny andraikitsika, fa misy ao mety mpitarika, misy mpandamin-draharaha, misy mpamatsy sy mpanohana, misy miaro sns sns….fa mila manao asa tsara ianao satria izay no nanamboaran’Andriamanitra anao. Aoka tsy ho ianao no hanakorotana, handrava, hamono, handringana. Efa misy iray efa mpanao an’izay dia tsy iza fa ny devoly (Jaona 10:10) “Job description”-ny io. Ary izy dia tena manaraka antsakany sy andavany. Ary ianao? Inona no asanao dia ataonao tsara ve? Eo amin’io sehatra misy anao io, eo mihitsy no tian’Andriamanitra hiasanao: mety mizara talentanao, mety hoe ny volanao, mety hoe ny tsikinao fotsiny koa aza…fa trandraho dia ataovy tsara ho fanomezam-boninahitra Ilay namorona antsika. Sa ahoana? Mba zarao hoe ny sehatra misy anao sy ny mety afaka ataonao ho fanitarana ny fanjakany? 

Satria….Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny