Ary raha mpanamory fiaramanidina ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ary raha mpanamory fiaramanidina ianao ?

Raha misy manome fiaramanidina hampanidinina izao dieny izao ianao, dia mety hanana olana : tsy ho hainao ny manamory azy ! Eny, mety afaka ny hipetraka eo amin’ny toeran’ny kaomandy ianao, miaraka amin’ireo bokotra sy jiro maro mirehidrehitra, ary mety hanana zo mihitsy aza hitondra io milina tsara rafitra io … saingy raha ny marina dia azo antoka fa hanana olana toy ahy ianao : tsy ho hainao hoe aiza no hanombohana.
Ry namako, izaho sy ianao dia manana fiarovana mahagaga voaoman’Andriamanitra manokana ho antsika. Io no tsara indrindra ary mifanaraka tsara amin’ny filànao. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe ahoana ny hahaizana mampiasa izany amin’ny fomba mahomby. Manome antsika ny valiny ny Baiboly : ”Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana” (Efesiana 6:18).
Ny vavaka dia fanalahidy mampandeha ny zavatra rehetra. Noho io fiombonana tsy miato amin’Andriamanitra io dia hanana fahendrena ianao ny :

  • Hanamafy ny tenanao ao anatin’ny Fahamarinan’Andriamanitra.
  • Hanonona ny Fahamarinany amin’ny fiainanao.
  • Hianatra handeha isan’andro ao anatin’ny hafatry ny filazantsara.
  • Hanohitra ny laingan’ny fahavalo amin’ny alalan’ny finoana.
  • Hanavao ny sainao ao anatin’ny fanatenana famonjena.
  • Hiaina araky ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra.


Eny ry namako, manetsika ny fiarovan-tena ny vavaka ! Noho izy dia hanana fahaiza-manavaka bebe kokoa ianao, ary handray fitarihana avy amin’ny Tompo.
Ary rehefa miresaka vavaka ihany, sitrakao ve raha faranantsika amin’ny vavaka ity fotoana ity ? “Ray o, misaotra Anao aho amin’ny fiarovan-tena nomaninao ho ahy. Te hiaina fiombonana tsy miato miaraka Aminao aho mba hampianaranao ahy ny fomba mahomby hampiasana ny ampahany rehetra amin’izany, ary hahazoako fandresena amin’ny ady rehetra manjo ahy. Fenoy ny Fanatrehanao aho Tompo o, ary ho tonga lalina kokoa sy marina kokoa anie ny fifandraisako Aminao, isan’andro. Tariho aho amin’ny dingana rehetra ataoko. Amin’ny anaran’I Jesosy. Amen !”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!