Ary raha misaina amin’ny fomba hafa ianao? 💭😃
Inona ny eritreritrao farany teo? Ny ahy : “Oay! misy tasy be ilay akanjoko vaovao… Tsy ho afaka intsony ito!” Haha.
Tena tiako ho fantatra izay noeritreretinao farany! Ary azoko antoka fa tsy hoe : “Andro mahafinaritra no miandry ahy! Azo atao ny zava-drehetra anio!” Kanefa tena tsara tokoa raha mitodika amin’izany lalana izany ny eritreritsika!
Avelao aho hitondra anao amin’ny andininy iray malaza ao amin’ny Baiboly, izay mety hanazava zavatra ho anao anio : “Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho. Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.” (Matio 9:20–22)
Fantatrao ve izay tena mahasarika ny saiko amin’io andininy io anio? Ilay hoe : “hoy izy anakampony”, izany hoe : niresaka tamin’ny tenany izy. (Matio 9:21)
Alaivo sary an-tsaina hoe ianao io vehivavy io : efa roa ambin’ny folo taona no nijalianao tamin’ny aretina tsy mety sitrana. Sady amin’izay dia heverina ho tsy madio ianao, mahamenatra. Lavin’ny olona, tsy raharahiana… Hanao ahoana ny fihetsikao? Angamba hoe : “Tsy misy fanantenana intsony ho ahy. Tara loatra.”
Kanefa izy tsy kivy, satria nampihariny ny finoany!
Nahoana no manomboka amin’ny eritreritra ratsy, nefa ny zava-dratsy rehetra dia tsy maintsy miankohoka eo anatrehan’ny anaran’i Jesosy Kristy? 💪🏻 Nahoana no tsy miaina amin’ny finoana, mba hahita ny heriny?
“Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho” (Matio 9:21)
Ny zavatra lazainao amin’ny finoana dia manetsika ny fahagagana ao anatinao!
Ary angamba manomboka amin’ny zavatra tsotra izany anio :“Oay, misy tasy be ny akanjoko… Tsy maninona fa miala foana io e!”
Ary tsy ho ela dia ho hitanao fa hieritreritra toy izao ianao : “Mino aho fa Andriamanitra dia maniry ny tsara indrindra ho ahy!”
Ary ianao? Te hanova ny fomba fisainana ve, mba tsy hanome toerana intsony ny eritreritra ratsy?
Avelao hanana toerana lehibe kokoa ao am-ponao ny finoana. Dia ho hitanao ny halehiben’Andriamanitra miasa ao aminao. 🙌🏻
Fahagagana ianao! ✨