💪🏻 Ary ny hozatrao ?

Izaho dia mitovy amin’ny bitro kely “Duracell”. Raha apetrakao eo ambony tapis fihazakazahana aho dia mihazakazaka tsy te hijanona intsony ! Fa ny fikotranana ny hozatra indray, tsy dia tiako loatra …
Imbetsaka no nilazana tamiko hoe : “Tokony hanao zavatra ianao io…”. Ny hoe “tokony” dia mamela safidy foana. Sa tsy izany?
Raha tokony hanao zavatra isika, dia tena tokony hanao izany !
Tsy maintsy nianarako tamin’ny fomba naharary ahy izany. Indray mandeha aho dia sempotra nandritra ny hazakazaka nataoko, ary tamin’ny fotoana hafa, tena nivoaka mihitsy ny sakafo atoandroko…
Rehefa nisoratra anarana tamin’ny toeram-panazaran-tena vaovao aho, dia niresaka momba an’io. Hoy avy hatrany ilay mpanazatra tamiko : “Tsy mahagaga izany, satria tsy nampiasainao ireo hozatrao, ireo no mizaka ny tsindry rehetra. Ny hozatra no motera manampy amin’ny fiasana tsara.”
Imbetsaka isika no miezaka mampandeha ny zava-drehetra amin’ny fiainantsika. Mihazakazaka avy any amin’ny teboka A mankany amin’ny teboka B, miezaka mafy anaty fiangonana na amin’ny asa tsara, manatanteraka ilay fitiavana ny namana, izay soratany ao amin’ny Baiboly. Saingy tsy mandany fotoana hanamafisana ny fifandraisantsika amin’i Jesosy isika, ilay “hozatra” tokony hofanina mba hahazaka tsindry sy hahafahana mandroso tsara.
Ny hoe “Hamafiso ny hozatrao” dia midika hoe : Mandania fotoana tsy tapaka miaraka amin’Andriamanitrao. Fotoana hanomezany toromarika ho anao, hanamafisany ny tanjon’ny iraka napetrany taminao. Fotoana izay tiany hanomezana hery vaovao sy fifaliana vaovao ho anao amin’izay andrasany aminao.
Ao amin’ny Baiboly dia misy andininy iray azonao ampiharina anio : “Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah..” (Fitomaniana 3.40)
Amporisihiko ianao hanamafy ny hozatry ny finoanao, mba handrosoanao tsara kokoa amin’ny lalan’ny finoana !
Satria MANAN-DANJA IANAO…Fahagagana ianao

