Ary avy eo… mitohiza mivavaka fotsiny !
Fantatrao ve hoe nahoana ianao no tokony hanohy hivavaka foana anio ho an'ny fahagagana andrasanao?
Satria ny fahagagana tsara indrindra dia mitranga rehefa mivavaka foana isika ! 🙌🏻
Raha fintinina dia toy izao ny momba ny tantarako:
-
Nivavaka imbetsaka ny ray aman-dreniko mba hahita fahagagana ny amin’ny fahasitranako tamin’ny aretina anoreksia (tsy fahazotoan-komana)
-
Imbetsaka aho no nizara io fahagagana io teny an-tsehatra.
-
Ary imbetsaka ny fijoroako ho vavolombelona no namporisika, nanampy, na nitarika fanasitranana mihitsy aza ho an’ny olona maro izay nandalo sy niaina toy izany.
Ary ankehitriny, izao ny fanontaniako ho anao,
“Raha fantatrao anio izay hotanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahagaganao, moa ve ianao koa tsy hanohy hivavaka amim-pifaliana sy amim-pahatokiana?”
Anio aho dia te hamporisika anao amin’ny foko manontolo mba haharitra amin’ny vavaka satria izaho manokana dia tena nahatsapa ny valin’ny vavaka nataoko tamin’Andriamanitra !
Ary avy tao amin’i Jesosy mihitsy no nandraisako izao fampaherezana izao, satria voalaza ao amin’ny Lioka 18 hoe:
Nilaza fanoharana tamin’ny mpianany Jesosy mba hanehoana azy ireo fa : "fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka." (Lioka 18:1).
Mazoto aoka izany Jesosy mba hampiseho tamin’ny mpianany fa misy vidiny ny vavaka rehetra satria fantany ny zavatra rehetra miseho any amin’ny tontolo tsy hita maso amin’ny alalan’izany !
Eny, ny faharetan’ny ray aman-dreniko dia nandresy lahatra ireo ray aman-dreny maro hafa ankehitriny mba hanao toy izany koa. Alaivo sary an-tsaina ny mety ho dikan'ny faharetanao ho an'ny tenanao ary ho an'ny hafa…
Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.(Efesiana 3:20-21).
Mahareta ! Mahandrasa ! - izay nomaniny ho anao sy izay hataony dia tena tsara !
Fahagagana ianao!