Ary Andriamanitra nanao hoe….
Ary Andriamanitra nanao hoe….
“Ary Andriamanitra nanao hoe…” Genesisy 1. Imbetsaka miverina ao amin’io toko 1 io teny io. Teny nentin’Andriamanitra namorona izay tiany ho hita sy hitranga io. Ary rehefa avy miteny an’io Izy dia tanteraka daholo izay nambarany.
Ianao dia zanak’Andriamanitra.
Hoy Jesosy hoe “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.” (Jaona 5:19).
Averiko ihany : zanak’Andriamanitra ianao. Ary raha tena resy lahatra ianao dia izay natioran’ny ray no ao amin’ny zanaka ihany koa.
Raisintsika ny ohatra eto hoe niteny izy nilaza sy namaritra izay tiany hitranga. Ianao koa noho izany, amin’ny maha-zanaka anao, dia afaka manao toy izay amin’izay tianao hitranga. Am-pinoana. Tsy mihambahamba. Ary rehefa mifanaraka amin’ny sitrapony dia hitranga izany.
Tsy sitrak’Andriamanitra izao ny ampilentika ny sambo nisy ny mpianatra na teo aza ny rivotra nifofofofo. Rehefa nitsangana i Jesosy dia niteny hoe mitsahara dia nitsahatra teo noho eo izany.
Toy izay koa ohatra i Petera sy Jaona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3. Teo amin’ny vavahadin’ny tempoly dia nisy lehilahy nalemy efa an-taonany maro ary nangataka teo. Nandalo teo izy mirahalahy ary nanao ny fanaony ity lehilahy ity. Fa hoy i Petera: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.” (Asa 3:6) dia nambaran’ny Baiboly eo amin’ny andininy faha-8 fa nitsangana izy. Fantatr’izy ireo ilay velona ao anatiny, sy ny fahefana efa nomena azy ary tsy nihambahamba izy nanonona ireo teny ireo satria mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ny fanasitranana ka nahitany vokatra.
Ianao koa. Inona ilay atrehinao ary inona no teny efa voarainao? Ambarao am-pinoana izany sy amin’ny fandresen-dahatra tanteraka fa ho hitanao fa hitranga izay ambaranao. Aleloia! Aza adino mizara aminay ny fijoroana vavolombelona. Mankasitraka sahady dia tahiana manokana ianao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕