• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 23, 2025

🙏 Arodano ny rindrina!

Andro namoahana Jol 23, 2025

Efa nanao asa fanamboarana tao an-tranonao ve ianao?

Nanana fahafahana nandray anjara amin’ny fanavaozana toerana samihafa aho teo amin’ny fiainako, anisan’izany ny fiangonana! Tsapako fa sady sarotra no mahafinaritra no manao izany =)

Anisan’ny zavatra mahafinaritra miseho matetika eny am-piasana eny ny fandravana trano efa tranainy mba ahafahana manangana vaovao. Ohatra: mahafinaritra ery ny fandravana rindrina tranainy mba hanovana ny endriky ny trano. Tsy midika anefa izany hoe mora tanterahina satria mahafinaritra. Ny tena marina, mitaky ezaka be ny fandrodanana rindrina. 

Araky ny hitantsika omaly dia efa an-taonany maro no nanorenan’ny fahavalo manda sy lainga tao an-tsaintsika. Mba hanavaozana tsara ny saintsika dia tsy maintsy potehina aloha ireo lainga ireo. 

Milaza amintsika ny fomba hanaovana izany ny Baiboly: “(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,” (2 Korintiana 10:4-5)

Ry namako, fotoana izao handravana ireo fiarovana  sy laingan'ny fahavalo rehetra ireo! Tsy vita iray andro izany: mila fotoana sy ezaka… tena mitondra  fahafaham-po koa anefa izany! Mety hanontany tena ianao hoe: “Aiza àry no hanombohako izany? Ahoana no hataoko?” Tsarovy fa Andriamanitra dia nanome anao fitaovam-piadiana maro hanampiana anao hanao izany, ary mino aho fa anisan’ny tsara indrindra amin’izany dia ny mihaino ny Feon’Andriamanitra. Mamporisika anao aho hanao ireto zavatra manaraka ireto:

  • Mangataha amin’Andriamanitra mba hampiseho aminao izay lainga lazain’ny fahavalo izay hampinoany anao

  • Henoy ao anaty vavaka izay ambarany aminao. Mety hisy eritreritra tonga ao an-tsaina momba ny zavatra iray manokana, ny fampahatsiahivana ny zava-nitranga taloha, na ny andininy ao amin’ny Baiboly.

  • Angataho Izy mba hanampy anao ahafantatra ny fomba hanovana izay zavatra vao nasehony anao, sy hanambara aminao izay tokony hataonao amin’ny alalan’ny Baiboly.

Fantatr'Andriamanitra tsara ny ao am-ponao sy ny fomba handravana ny asan'ny maizina ao anatinao, ry namako!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.