• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 11, 2025

Arindrino ny varavarana !

Andro namoahana Jol 11, 2025

Andeha isika hanohy hijery lalina izay lazain’ity andininy sarobidy ity anio : Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao… (Matio 6:6)

Efa nisy fotoana ve nihevitra ho irery tao anaty efitra ianao, nefa nisy olona nanaitra tampoka anao? Izaho manokana dia matetika mihaino hira amin’ny “écouteurs”, ary milomano ao anatin’ny hira fiderana rehefa ilay ao anatin’ny firehetana iny, tonga saina tampoka aho avy eo fa toa nisy tanana mikitika ny lamosiko..

Tamin’ny voalohany dia taitra aho satria tsy fantatro na anjely no nandray ahy, na fihetseham-po mahery vaika avy amin’ny lanitra, nefa avy eo dia hitako fa hay fianakaviana ihany ilay izy, izay niezaka nanaitra ahy tamin-tsikitsiky sy fijery mihomehy, raha mbola niezaka ny ho tonga saina tsara aho :) 

Eny, mety ho ao an-trano isika, ao anaty efitrano, nefa raha mbola misy olona hafa miaraka amintsika, dia mila miakatra ahavo kokoa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : ao amin’ilay toerana hoe mihidy ny varavarana. Raha ny marina, raha efa niaina ilay zava-nitranga notantarainako teo ianao, dia mety hieritreritra mafy ianao hanidy ny varavaranao amin’ny lakile =).

Izany indrindra no antony nanamarihan’i Jesosy fa mila hidiana ny varavarana : satria raha te hifandray amin’Andriamanitra isika, dia mila mifantoka tanteraka Aminy. Zava-dehibe tokoa ny mampifantoka an-tsitrapo ny saintsika manontolo Aminy.

Tsy sary fotsiny hoe varavaran-kazo ny “varavarana” eto. Raha ny marina, io sary io dia manondro varavarana mikatona amin’ny fanelingelenana rehetra.

Ny ahy manokana izao dia midika hoe mametraka ny finday amin’ny hoe “Ne pas déranger” matetika, na manisy écouteurs mba hanasaraka ahy amin’ny tontolo ivelany ka ahafahako mifantoka bebe kokoa amin’Andriamanitra.

Nandritry ny taona maro izay dia, écouteurs ambany kalitao misy tariby no nampiasaiko hihainoana fiderana rehefa mandeha fiara fitateram-bahoaka. Noho izy io no nahafahako nahazo fotoana sarobidy niaraka tamin’Andriamanitra, na dia tsy afaka nihetsika toy ny trondro anaty boaty aza izahay satria feno tanteraka ilay fiara 😅.

Ry namako, handeha hihaona amin’Andriamanitra amin’ny vavaka dieny izao ! Mila fotsiny manala ny zava-manelingelina isika matetika, manakipy maso, mba hidirana ao amin’ny fitoerana masina amin’ny Fanahy, miaraka amin’ny mozika eo an-tsofina mba hialana tanteraka amin’ny manodidina.

Eny, arindrino ny varavarana amin’ny tontolo ivelany, ary vohay amin’Andriamanitra ny fonao !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.