đź’ˇ Areheto ny jiro!
Tena sarotra ny mandeha ao anaty haizina! Mora midona amin-javatra isika rehefa tsy mahita, sa tsy izany?
Efa imbetsaka izany no nitranga tamiko: Mifoha amin’ny misasak’alina aho mba hisotro rano, ary mba tsy hanelingelina ny hafa sy ho jambena ny hazavana, dia misafidy ny handeha amin’ny maizina aho. Indraindray, tsy manao kapa satria malaky kokoa ary tsy manakotaba ny hafa. Matetika dia ratsy anefa ny fiafaran’izany: na manitsaka zavatra (tena maharary) mitsirara amin'ny tany aho, na, satria zara raha mahita na inona na inona aho dia midona amin’ny zavatra foana. Kanefa ho mora ho ahy kokoa ny mandeha raha narehitro ny jiro, ary afaka niala an’ireo tranga ireo aho! =)
Izany matetika no mitranga amintsika eo amin’ny fiainana kristianina. Fantatsika fa tsara kokoa ny mandeha miaraka amin’ny Fahazavana sy eo amin’ny mazava, fa rehefa matory kely isika dia aleontsika tsy ho jambena loatra. Mihevitra isika fa efa mahalala tsara ny lalana, ka afaka mandeha tsy misy hazavana, hany ka mahasahy mandeha tsy manao kapa aza. Izany no mahadiso antsika ary miteraka loza sy fahatafitohinana.
Hoy i Jesosy: “Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina” (Jaona 8:12). Aza mandeha amin'ny maizina. Areheto ny jiro! Rehefa manapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy amin’ny antsipiriany rehetra ianao, dia manazava ny lalanao ny Fahazavany. Aoka hitoetra ao am-ponao ireto fanontaniana ireto: “Inona no sitraponao, Tompo ô, inona no tianao hataoko?”
Maniry hiara-hivavaka amiko ve ianao izao? "Jesosy Tompo ô, te-hanaraka Anao isan'andro isan’andro aho, mba hanome Anao ny tsara indrindra. Te-hitandrina ny sitraponao sy handeha eo anilanao aho, mba hanazava ny lalako ny fahazavanao. Ampio aho hahita ny sakana rehetra ka handresy izany. Aoka ny fahazavanao hampamirapiratra ahy hatrany, ho voninahitry ny Anaranao. Amin'ny anaran'i Jesosy Amen."