• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 23, 2025

đź’ˇ Areheto ny jiro

Andro namoahana Jon 23, 2025

“Tsia, aza arehitra ny jiro, raha tsy izany dia hita avokoa ny loto rehetra!”

Tamin’ny fihomehezana no nilazan’ilay mpiasa iray izay tamin’ny mpiara-miasa taminy, teo am-panadiovana ilay efitra lehibe.

Nampihomehy ahy ny zava-nitranga tamin’izay - nefa koa dia nahavariana ahy. Niaina zavatra mahatalanjona izahay tamin’io hariva io. Mihoatra ny olona zato isa no nanolo-tena ho an’I Jesosy!

Nanatrika ilay fivoriana koa ny namako iray mpiara-mianatra tamiko taloha. Rehefa nanontaniako azy ny zavatra tsapany nanditra ilay fotoana, dia izao no navaliny tamiko: “Mahafinaritra! Izao mihitsy no ilain’ny olona ety! Fa raha ho ahy manokana, tsy dia misy vidiny loatra.”

Mampalahelo izy! Angamba adinony ny nandrehitra ny jiro eo amin’ny fiainany. Satria fantatro fa ny fiainan’io namako io dia feno sakana (tahaka ny antsika ihany) izay manafitohina azy matetika. Na izany aza dia tsy nety handrehitra ny jirony izy io hariva io… ka tsy hitany akory ny fisian’ireo “fandrika” ireo.

Andeha handrehitra ny jiro ka hiasa isika! Satria eny, ho anao - sy ho ahy - maro ireo zavatra manakana ilay fahazavana.

Mety hanana eritreritra tahaka ahy koa ianao hoe : “Oay, eny tokoa, raha tsy ataontsika resaka mazava izany - izany hoe raha tsy mandrehitra ny jiro isika amin’io faritra iray io - dia mety ho lasa adino.” Satria amin’ny maha olombelona, dia tsy manana fahafahana hahafantatra ireo korontana amin’ny fiainantsika isika - ary tsy afaka ny hanova izany.

Izay no mahatonga an’Andriamanitra, izay tsara loatra, manolotra ny fanampiany. Voalaza ao amin’ny Jeremia 32 :39 : “Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy…” (Jeremia 32:39)

Tohizan’ny andininy faha 40, izay hanomezan’Andriamanitra toky hoe : “... dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy…” (Jeremia 32:40)

MAHAFINARITRA ery izany! Te handrehitra ny jiro eo amin’izay misy haizina Andriamanitra, mba hipoiran’ny soa eo amin’ny toerany!

Mamporisika anao aho anio mba hangataka Aminy hametraka ny faniriana ao am-ponao ny hanaja Azy, hanome voninahitra Azy, ary koa hiaina fiovana mahagaga.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.