Areheto indray ny lelafo !
Misy tanjona voafaritra ny namoronanan’Andriamanitra anao. Mino izany ve ianao ?Notorotoroniny talohan’ny mandrakizay ianao. Fantany mialoha ny nisianao tao an-kibon’ny reninao ianao, ary nahafaly Azy na dia ny fisainana fotsiny ny fisianao aza. Noforoniny ianao satria tiany ary iriany hiaraka Aminy mandrakizay, saingy noforoniny ihany koa ianao mba hanehoany ny fahatsarany manontolo eto amin’izao tontolo izao amin’ny alalanao.Izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome fanomezam-pahasoavana anao, ary mametraka afo iray ao anatinao Izy miaraka amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Toy izao no ilazan’ny Baiboly azy : « Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tànako » (2 Timoty 1 : 6). Mety tsy fantatrao tsara hoe inona ny fanomezam-pahasoavanao, saingy zavatra iray no azo antoka : arakaraka ny anatonanao an’Andriamanitra no ahatsapanao ny Afony ao am-ponao sy anirianao hanompo Azy.Mety efa fantatrao ny fanomezam-pahasoavanao ary mampiasa izany tsy tapaka eo amin’ny andavanandronao ianao, saingy ny mampiavaka azy eto dia mbola ny afo ihany : rehefa ny Afon’Andriamanitra no manosika anao hampiasa ny fanomezam-pahasoavanao, dia eo no miposaka sy mamiratra amin’ny alalanao ny Fahazavany ! Eny, antsoin’Andriamanitra ianao mba hanaitra ny afo eo amin’ny fiainanao ry namako.Hivavaka isika : « Tompo o, misaotra Anao aho noho ny Fitiavanao sy noho ny namoronanao anay ho amin’ny tanjona mandrakizay hiaraka Aminao, mba hitondra ny Fanjakanao eto amin’izao tontolo izao. Mivavaka Aminao aho mba hanampy anay hahay hanavaka ny fanomezam-pahasoavanay ary hanompo Anao amin’ny lafim-piainanay rehetra. Fa indrindra, ampio izahay hanaitra ny Afonao ao anatinay, hitahiry hatrany ny hafanany ary ho liana Aminao hatrany. Misaotra amin’ny zavatra rehetra Tompo o ! Amin’ny Anaran’i Jesosy, amen !
