• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 14, 2024

Areheto indray ny afo !

Andro namoahana Jol 14, 2024

 

Fantatrao ve fa ny fanomezam-pahasoavana rehetra izay azonao avy amin’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny afo iray ?

Izany no nolazain’i Apostoly Paoly tamin’i Timoty : “Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako” (2 Timoty 1:6)

Araka ny novakianao teo dia tsy niteny azy Paoly ny mba hampiasainy  misimisy ny fanomezam-pahasoavany na mba hanampiany ny ezaka nataony. Fa nanoro hevitra azy izy ny mba hamelomany indray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.

Ry namako, nanome anao karazana fanomezana Andriamanitra : “fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina izany, izay samy manana ny iraka sy tanjona manokana avy mba hitahiana ny hafa.” (1 Petera 4.10 )

Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia mandrehatra antsika rehetra mba hahitana ny Fanjakan’Andriamanitra mihitatra, ary mba ho maro ny olona hiova, ho sitrana…. Mahafinaritra loatra izany !

Manontany tena angamba ianao : inona no afaka ataoko mba hamelomana an’ireo fanomezam-pahasoavana ireo ? Vakio ity andian-tsoratra masina ity : “Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” (2 Timoty 1:7).

Saintsaino : 

  • Ny herin’Andriamanitra hanovàna fiainan’olona amin’ny alalanao.
  • Ny fahaizanao manetsika ny tenanao amin'ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavanao.
  • Ireo fijoroana vavolombelona izay efa niainanao tamin’ny lasa tamin’ny fampiasanao ny fanomezam-pahasoavanao…

Ary avelao ireo teboka rehetra ireo hitarika anao hankasitraka indray ireo fanomezam-pahasoavana tsirairay sy hanonofy ny hampiasa izany ho voninahitr’Andriamanitra.

Ry namako, rehefa velominao indray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, dia manomboka mandeha amin’ny fifohazana ianao !

Te hivavaka ho anao aho mba hahafahanao miaina fifohazam-panahy lehibe eo amin’ny fiainanao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.