🚿 Araraho ny ranonoran’ny Lanitra!
Raha asaina mihevitra aho hoe inona ny singa tsara indrindra ahafahana miaina sy manovo traikefan’ny Lanitra misokatra eo amin’ny fiainako dia tsy am-pisalasalana no hilazako fa ny vavaka no lakile. Fa tsy izay vavaka rehetra koa nefa….
Rehefa nataon’i Jaona batisa i Jesosy dia hoy ny Baiboly hoe “Raha mbola nivavaka izy, dia nisokatra ny lanitra, ka nidina teo amboniny ny Fanahy Masina” (Lioka 3:21-22).Tiako ny nilazan’ny Baiboly azy! Efa mba nisy fotoana ve ianao niaina izany hoe nisokatra ny Lanitra rehefa nivavaka ianao?
Izaho manokana dia nianatra niaina tamin’ny karazam-bavaka “manokatra lanitra”. Isaky ny mivavaka aho dia ataoko amin’ny foko sy finoako manontolo: manomboka aho manambara ireo Fampanantenan’Andriamanitra ao anatin’ny Teniny, misaotra Azy ary mikatsaka ny fony….mandrapahitako fa misy zavatra miova ao amin’ny tontolo ara-panahy. Sarobidy loatra ny mahita ny Lanitra misokatra sy mitolagaga rehefa rakofan’ny Fanahy Masina ny vavaka feno finoana! Tahaka ny manokatra paompy aho izay mamela ireo rano velona hikoriana amin’ny fiainako.Â
Noho izany dia tsy tahaka ny nidirako eo amin’iny vavaka iny mihitsy ny hivoahako eo. Matetika eo am-piandohana dia feno olana ny foko, tahotra na tsy fiadanana. Fa segondra vitsy monja tafiditra anaty vavaka dia manomboka mahatsapa toky aho ary ireo vesatry ny olako rehetra dia voasolon’ny Fiadanany, ny Finoany, hery vaovao, hevitra vaovao….araky ny voalaza ao amin’ny Filipianina 4:6-7.
Ny vavakao dia mitondra ny Lanitra eto an-tany! Eo anivon’ny hetsik’Andriamanitra rehetra ny vavaka. Eny, tena manova ny hitanao ny vavaka feno firehetana sy finoana ary manomana anao hiaina ny fahagagan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.
Eo anilanao ny Tompo.