• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 1, 2025

⛲️ Aoka ny fitahiana hanenika ny hafa!

Andro namoahana Feb 1, 2025

Andeha isika hanohy ity lohahevitra tena manan-danja momba ny fianakaviana ity! Koa amin’ny anio, tiako isika handinika andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly izay heveriko fa tena hamelombelona antsika tsirairay avy. 

Hoy Izy: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.” (Galatiana 6:10)

Raha tsaroanao, omaly isika niresaka momba ny maha zava-dehibe ny fanovana ny fomba fijerintsika an’ireo olona tsy mpino ao amin’ny fianakaviantsika. Misy hery tsy hay tohaina rehefa miaina ao anatin’ny fahafahana sy fiadanan’ny Tompo isika! 

Rehefa mametraka ny entantsika rehetra eo amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika ary manomboka mahatsapa ny Fitiavany sy ny Fanatrehany ao anatintsika dia manomboka miova ny zava-drehetra. Mameno antsika ny hafaliany, misinda ny adin-tsaina ary te hizara izany fitahiana izany amin'ny hafa isika.

Amin’izay fotoana izay isika no manomboka tonga fitahiana ho an’ny hafa. Manomboka maneho hatsaram-panahy amin’ny olona rehetra, mizara fifaliana ary mikatsaka ny hanampy sy hanao soa ny manodidina antsika… ary eo koa isika no mahatsapa fa lasa tonga fahazavana maherin’Andriamanitra ho an’ny hafa isika. 

Ao anatin’izany toe-javatra izany no tena hatsapantsika fifaliana lehibe ny amin’ny fahafahantsika manampy ny hafa indrindra ireo mpianakavin’ny finoana, araky ny ambaran’ny tenin’Andriamanitra ho amin’ny anio. Eny tokoa, rehefa mamely antsika ny olana sy ny enta-mavesatra dia tsy manam-potoana hieritreretana ny hafa intsony isika: fa rehefa feno ny fiadanan’Andriamanitra sy ny fitahiany isika dia tsy ho  fanelingelenana intsony no handraisantsika ny hafa fa lasa miteraka fifandraisana mahafinaritra.

Efa niainako ireo fomba fiaina roa ireo, fa afaka manome toky anao tsy misy fisalasalana aho fa tombony lehibe ho antsika ny miaina ao anatin’ny Fifaliana sy Fiadanan’Andriamanitra  ary ao anatin’izany ny faniriana hanasoa ny manodidina antsika. Ao anatin’ireny fotoana ireny indrindra no ahitantsika an’Andriamanitra miasa!

Ry namako, avelao Andriamanitra hameno anao amin’ny Fitiavany anio, mba hameno ny hafa ihany koa izany fitahiana eo amin’ny fiainanao izany. 

Araraoty ny fotoana rehetra mba hitahiana ireo manodidina antsika, indrindra ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ireo mpiray tampo amin’ny finoana. Sarobidy loatra ny miaina ao anatin’izany fahafahana izany!

Fahagagana ny fisianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.