• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 31, 2025

🤗 Aoka ny fahamarinana no handresy !

Andro namoahana Jol 31, 2025

Gaga ny olona raha nahita ahy niakatra tamin’ny milina fihazakazahana tao amin’ny trano fanaovana fanatanjahantena iray, nitondra “écouteurs” roa teny an-tsofiko.

Tiako mantsy ny manao fanatanjahantena sady mihaino feon-kira mahafinaritra, miaraka amin’ireo tononkira “manome aina”. Saingy te hihaino ny vaovao mandeha amin’ny fahitalavitra koa aho, dia hoy aho hoe: “Azo atao angamba ny mihaino vaovao amin’ireo écouteurs kely no sady mihaino mozika amin’ireo lehibe kokoa.” Azoko antoka fa toa nahatsikaiky be aho, fa nety ilay izy ! Ary tamin’izay indrindra no nahatongavako tamin’ny fahamarinana lehibe iray, satria ny vaovao, araka ny mahazatra, dia tsy dia nahafaly loatra!

Fa satria nisy hira fiderana mandeha tao amin’ireo écouteurs lehibe hoe : “Manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra ny Andriamanitro, tsy misy tsy hainy atao”  dia tsapako fa feno fifaliana sy fahatokiana aho, na dia naheno vaovao mampalahelo tamin’ireo écouteurs kely aza !

Tsy mahafinaritra ve izany ? Afaka mijoro eo afovoan’ny tafio-drivotra ianao, nefa kosa, faly ny fonao ! Wouah ! Wouah ! Wouah !

Eny tokoa, hiatrika vaovao ratsy foana isika isan’andro. Saingy te hanome Anao ny fiadanany Jesosy, na dia ao anatin’ny fikorontanan-tsainao aza, ny hafaliany ao anatin’ny alahelonao, ny fanantenana ao anatin’ny tsy fisian’ny fanantenana. Ary izany rehetra izany satria Tia Anao Izy !

“Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16.33)

Izany no hira tokony “ho ambony”. Ambonin’ny ahiahinao, ny tahotrao, ny filanao sy ny alahelonao.

Amin’ny fanombohan’ny tontolo andronao, soso-kevitro : ataovy eo amin’ny sofinao ireo écouteurs, izay hanampy anao hahatsiaro hatrany hoe na inona na inona renao, na inona na inona iainanao anio, ny Andriamanitrao dia “mandresy ny zava-drehetra”, satria manam-pahefana Izy !

Aoka tsy ho foana ny hafalianao !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.