• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 27, 2025

⛔️ Aoka izay ny alahelo! 😄

Andro namoahana Okt 27, 2025

Misy vokany ratsy eo amin’ny fiainantsika ny alahelo.

Nisy fotoana aho nandalo fotoan-tsarotra be. Tsaroako manokana izay alina iray izay, tena nalahelo sy ketraka tanteraka aho ka nanjary narary. Nanomboka nahatsapa soritr'aretina vitsivitsy aho, ary ny ampitso maraina dia nanavy sy nanakotsako ny vatana. Nisy fiantraikany tany amin’ny hery fiarovako ilay alahelo lalina tato anatiko  ka nihareraka ny vatako. Efa nitranga taminao koa ve izany?

Tena mampalemy sy mahaketraka antsika tokoa ny alahelo, nefa hoy ny Baiboly: “Aza malahelo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no herinareo.” (Nehemia 8:10).

Ny alahelo dia manaisotra ny fitaovam-piadiana, fa ny fifaliana avy amin'ny Tompo dia manomana antsika ho amin'ny ady! Vokatra iray tena ilaina eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana, ary tian’Andriamanitra hananantsika be dia be izany.

Mety manontany tena ianao hoe: Ahoana no ahazoako izany fifaliana izany? Ity misy toro-hevitra kely: eritrereto ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao. Rehefa manomboka mitanisa ireo zavatra nataon’ny Tompo ho anao ianao dia manomboka miverina indray izany firehetana izany. Tsy ho teorika eo amin’ny fiainanao intsony ilay fitiavan’Andriamanitra fa lasa mivaingana sy azo tsapain-tanana. Manomboka mamony ao anatinao indray ny fankasitrahana sy ny fifaliana , sa tsy izany?

Andriamanitra dia tia anao, ary rehefa tsapanao ny halehiben’ny fitiavany anao, dia miteraka fifaliana mihoa-pampana ao anatinao izany, araka ny hitantsika tamin’ny andalan-teny omaly.

Maniry te hiara-mivavaka amiko ve ianao anio? "Tompo ô, mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hiaina ao anatin'ny fifaliana mihoa-pampana. Tiako hiboiboika eo amin’ny fiainako ny fifalianao tsy hay tohaina, hiakatra eo anatrehanao ary hirotsaka ho an'ny hafa, mba ho fitahiana ho an'ny manodidina ahy. Misaotra Anao noho ny haleben’ny fitiavanao, Tompo ô! Amin'ny anaran'i Jesosy, amen."

Ato am-poko manokana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.