• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 25, 2025

Aoka ianao ho fahagagana !

Andro namoahana Mey 25, 2025

Fantatrao ve ny herinao eo am-piandrasana ny fahagagana? Aoka ho ianao mihitsy no fahagagana ! Mety hanontany tena ianao hoe “Dia amin’ny fomba ahoana ny hahatonga ahy ho fahagagana raha tsy fantatro akory ny zavatra miandry ahy?” Ny valiny dia mivavaha !

« Nefa noho ny niankinanao tamin’i Jehovah, dia natolony teo an-tànanao ireo. Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. » (2 Tantara 16.8-9)

Manerana ny tany, Andriamanitra dia mitady olona izay miteny hoe “Inty aho, iraho aho !” (Isaia 6.8) na dia mbola tsy misy valiny akory aza ny vavaka nataony. Tany Etazonia aho, izay tanàna any amin’ny lafiny ilan’ny tany, niaraka tamina vesatra lehibe tao am-poko. Eny, niandry ny fahagagana ho ahy ihany koa aho.

Na dia izany aza, rehefa avy naka fiara karetsaka hitondra ahy ho any am-piangonana, aho dia nivavaka toy izao : « Tompo o, ampiasao aho androany. » Taorian’ilay fanontaniana mahazatra « manao ahoana ianao? » dia nanohy avy hatrany ilay mpamily nanao hoe: “Inona ny antony andehananao any am-piangonana?” “Satria mino an’Andriamanitra aho!” hoy aho mantsy azy.

Tamin’izay fotoana izay dia naka sisiny ilay ramatoa sady nitomany fatratra…Avy eo dia nanatraka ny lohany izy ka nilaza tamiko hoe : « Mialoha ny nivoahako tamin’ny maraina dia nangataka tamin’Andriamanitra aho mba handefa olona hanamafy amiko fa misy Izy, raha tsy izany dia hamono tena aho. »

Ry namako, aza atao ambanin-javatra mihitsy fa tena afaka ny ho fahagagana ho an’ny hafa ianao ! Eny, na mandritra ny fotoana iandrasanao ny fahagagana ho anao aza !

Ndeha haverintsika raisina ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny 2 Tantara mba hahazoantsika azy misimisy kokoa : Nefa noho ny niankinanao tamin’i Jehovah, dia natolony teo an-tànanao ireo.”

Angataho Andriamanitra hanampy anao dia hampandresy anao Izy.

“Fa ny mason’i Jehovah mijery izay manana fo mahitsy aminy”.

Hiandry Azy ianao ka hanome hery anao Izy.

Manerana ny tany dia mitady olona toy izany Izy. Te hampiasa anao Izy.

Te hivavaka miaraka amiko ve ianao anio? “Inty aho, iraho aho !” Amen. Na dia eo aza ny ady atrehinao isan’andro, meteza ho ilay vehivavy, ilay reny izay mijoro sy mirehareha amin’ny fanompoana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, ao an-tokantranony sy any amin’ny asany.

Fahagagana ianao ! Mirary fety sambatra ho an’ny reny rehetra, Hotahiana hatrany anie ianareo!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.