• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 16, 2025

Aoka ho fahagagana ianao!

Andro namoahana Des 16, 2025

Anio aho dia te-hizara aminao traikefa iray izay mbola mampihetsi-po ahy lalina hany ka nitomany aho teo am-pandraiketana ny feo androany. Oh, afaka manao fahagagana Andriamanitra - amin'ny alalanao - amin'ny toe-javatra mahazatra tanteraka. Miandrasa an’izany  eo am-panombohana ny tontolo andronao anio. 

Fantatrao ve izay manome hery anao eo am-piandrasana ny fahagaganao? Aoka ianao mihitsy no ho fahagagana! "Ary ahoana no hahatonga ahy ho fahagagana raha tsy fantatro akory izay miandry ahy?" mety manontany izany ianao. Koa noho izany, mivavaha!

"Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo. Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy" (Jereo ny II Tantara 16:8-9).

Na aiza na aiza eran-tany, Andriamanitra dia mitady olona izay miteny hoe: “Inty aho, iraho aho!”  na dia tsy mbola nivaly aza ny vavaka ataony (Jereo ny Isaia 6:8) Tany Etazonia aho, tany ampitan-dranomasina ara-bakiteny, miaraka amin’ireo izay manavesatra ny foko. Eny, niandry ny fahagagana ho ahy koa aho.

Na dia teo aza izany, rehefa avy nanafatra taxi hitondra ahy tany am-piangonana aho, dia nivavaka hoe: “Tompo ô, ampiasao aho anio”. Tao aorian’ilay fanontaniana mahazatra hoe “Manao ahoana ianao?”, avy hatrany dia notohizan’ilay mpamily hoe: “Nahoana ianao no mankany am-piangonana? Ny valinteniko dia hoe: "Satria mino an'Andriamanitra aho!"

Tamin’izay fotoana izay, dia nijanona teo amin’ny sisin-dalana ilay vehivavy ary nitomany mafy… Dia niandrandra izy ka nanao hoe: “Talohan’ny niaingana androany maraina, dia nangataka tamin’Andriamanitra aho mba handefa ahy olona iray hanamarina fa misy Izy, raha tsy izany dia ho taperiko ny androko”.

Aza atao ambanin-javatra na oviana na oviana ny halehiben'ny fahagagana azonao atao amin'ny olon-kafa! Na dia miandry ny fahagaganao manokana aza ianao!

Andeha hojerentsika ny andininy ao amin’ny 2 Tantara, mba ahatakarantsika bebe kokoa an’izany: “...Natolotr’i Jehovah eo an-tananao ireny, satria niankina taminy ianao”.

Angataho Andriamanitra hanampy anao - Hataony ho mpandresy ianao.

“Ny Tompo manohana izay miankina Aminy amin’ny fony rehetra”.

Hiandry Azy ianao, dia hampahery anao Izy.

Manerana ny tany dia mitady olona toy izany Izy. Te hampiasa anao izy!

Manaiky hiara-hivavaka amiko ve ianao anio? "Inty aho, iraho aho!" Amen.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.