Aoka ho afaka amin’ny hevitry ny hafa ianao !
Miaina mitady fankasitrahana avy any amin’ny hafa ve ianao ?
Tsy misy zavatra mandreraka sy tsy misy dikany toy ny manao izany, milaza izany aminao aho satria efa niainako izany !
Indraindray isika dia maniry mafy ho eken’ny hafa sy ho tsara fifandraisana, hany ka vonona mihitsy hanova ny maha izy antsika, na hampandefitra ny maha olo-marina antsika, mba entina hampifaliana ny olona.
Saingy, raha ny marina, ireo olona ireo dia manam-petra ihany ary amin’ny lafiny maro dia tsy mitondra fiantraikany amin’ny fiainantsika sy ny hoavintsika izy ireo, satria tsy izy ireo no tsy maintsy hisehoantsika amin’ny andro farany.
Raha mieritreritra an’izany ianao, dia mety ho tsapanao fa tsy misy dikany izany faniriana hahazo sitraka amin’ny olona izany !
Hanao ahoana ny fiainanao raha afaka tanteraka amin’izay mety ho eritreritry ny hafa momba anao ianao ?
Alao sary an-tsaina kely anie : tsy hahatsapa ho tena afaka sy malalaka kokoa ve ianao amin’ny fifandraisanao ?
Eny, rehefa mitsahatra miaina mba hampifaliana ny hafa isika, dia afaka manomboka miaina amin’ny fomba azo antoka sy mahafa-po kokoa ny fiainantsika.
Izao no nolazain’ny apostoly Paoly : “Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra ? Sa mila sitraka amin’olona aho ? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.” (Galatiana 1:10)
Eny tokoa ! Rehefa misafidy ny hankatò sy hampifaly an’Andriamanitra aloha ianao dia afaka manompo Azy amin’ny fahalalahana !
Marina tokoa fa tsara ny manana faniriana hampifaly sy hampandroso ny hafa amin’ny zavatra tsara, araka ny lazain’ny Baiboly (Romana 15:2). Fa aza mamatotra ny tenanao amin’ny fankatoavan’izy ireo.
Ry namako, manana fahafahana hanafaka ny tenanao amin’ny hevitry ny hafa ianao anio ! Asaina ianao hiaina ny fiainanao amin’ny fomba tena marina tokoa noho izay azonao eritreretina.