Anjaranao ny manao izay tokony atao,
“Mitsangàna, fa adidinao izany.” (Ezra 10.4)
Teny mety tsy tianao ho re izany, nefa izany indrindra no tian’Andriamanitra holazaina aminao anio. Tiany ianao hitsangana sy handray andraikitra amin’io raharaha io.
Novakiko io andininy io indray maraina, taorian’ny resaka iray tsy nifarana tsara ny omalin’iny… Ary tena azoko antoka tanteraka hoe izaho no marina. Ka hoy aho hoe : “Nahoana aho no tokony hiala tsiny, nefa marina no nolazaiko ? Aleo ry zareo no hanao ny dingana voalohany, ry zareo no nahatonga izao !”
Fa Andriamanitra mbola namerina indray hoe : “Mitsangàna, fa adidinao izany” (Ezra 10.4)
Mazava Andriamanitra ! Dia izay indrindra no nataoko. Nanafaka ny foko tamin’io vesatra io aho tamin’ny filazako ny marina tao anatin’ny fitiavana : “Tsy voatery hifanaraka isika amin’ny zava-drehetra, fa mankasitraka anareo foana aho — amin’ny foko manontolo.”
Amin’ny lafiny inona amin’ny fiainanao no lazain’Andriamanitra aminao anio hoe : “Raiso an-tanana ity raharaha ity” ?
Indraindray, Andriamanitra tsy mamaha ny olana HO ANAO, fa amin’ny ALALANAO !
Eritrereto i Goliata, ilay goavam-be nampatahotra ny olona rehetra. Afaka namono azy tampoka Andriamanitra ! Azo antoka fa maro no nivavaka mba hidiran’Andriamanitra an-tsehatra. Fa tian’Andriamanitra ny hiasa AMIN’NY ALALAN’NY olona iray, mba hampitombo azy eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny finoana ! (jereo 1 Samoela 17.48-51)
Arakaraka ny halehiben’ny ady, no vao maika lehibe ny fandresena !
Tian’Andriamanitra ny hampandroso anao eo amin’ny fiainanao, ary hiseho aminao amin’ny alalan’io lalana io !
Anio Izy dia miantso anao hitsangana. Izy no hampiseho aminao hoe aiza : hampiverina ny fihavanana ao anaty fifandirana iray, handray an-tanana ny asanao, ny volanao, na toe-javatra hafa…
Ampahereziko amin’ny foko manontolo ianao hitsangana sy handray an-tanana an’io raharaha io ANIO !