ANJARA VOATENDRY MASINA
“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany” (Jeremia 29:11)
Inona izao no tena miketriketrika ao an-dohanao izao? Hoe ahoana ny handoavana ny hofan-trano, ny sara-pianarana sa ireo faktiora maro be ao ambadika ao? Maro amin’ny ankohonana Malagasy no miatrika ady. Rehefa mandeha mitsidika toerana maro moa izahay ao anatin’ny Association Le Miracle Malagasy dia tena mahita ireo sedrain’ny mponina eny ifotony. Manginy fotsiny ny tsy fandriam-pahalemana izay miteraka horohoro sy tebiteby ho amin’ny ho avy.
Izaho anefa dia resy lahatra fa raha nanao an’i Madagasikara Andriamanitra dia nihevitra tany tsara tarehy sy manankarena sy miaina am-pitoniana. Ary izany no tiako hazonina rehefa mandeha toy ireny aho. Tsara ny tanana, feno voankazo sy sakafo maro isan-karazany, mamy ery ny tsikin’ireo izay zaza mifanena aminao…. Madagasikara dia manana anjara voatendry masina. Koa handeha hanomboka hanambara zavatra amin’ny tanintsika isika, ny faritra rehetra, ny mpitondra ary ny ankohonanao koa… Tsy olana izay hitanao sy tsapanao fa handeha hamboly fiainana tsara, miteny tsara ary manonona zavatra tsara. Satria hoy Izy : “Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany” (Isaia 1:19)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕