• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 23, 2024

๐Ÿ™ Angataho izay tianao !

Andro namoahana Mey 23, 2024

 

Tianao ve raha mivaly avokoa ny vavakao rehetra ? Iza no tsy haniry izany ? =)

Alaivo sary an-tsaina kely anie hoe mafy orina ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, ka hilaza aminao amim-pahatokiana tanteraka Izy indray andro any hoe : “Angataho Ahy izay tianao na inona na inona, dia homeko anao izany.” Waouh ! Azonao sary an-tsaina ve ?

Andeha hojerentsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ilay toko hodinihantsika anio : “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jaona 15:7).

Mahavariana ahy foana ary nahakasika ahy io andinin-teny io, indrindra rehefa nitaona antsika i Jesosy mba hangataka “IZAY ZAVATRA REHETRA TIANTSIKA”. Tsy miteny amintsika Izy mba hangataka zavatra sasatsasany, na izay ilaintsika fotsiny. Tsia ! Afaka mangataka “izay tiantsika rehetra” isika.

Ity andalan-tSoratra Masina ity dia mampahatsiahy ahy ny tenin’ny Salamo nataon’i Davida manao hoe : “Miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4). Ireo andalana roa ireo dia misy zavatra itovizany : fifandraisana, fiombonana, faharetana, fifaliana. Rehefa mahita fialofana sy ny faniriana ao amin'Andriamanitra ny fonao, dia misy zavatra manokana miseho : tsy mijanona ho foto-kevitra tsotra fotsiny Andriamanitra, fa  lasa zava-misy marina aminao IZY. Amin’izay fotoana izay no ahitana ny finoanao manontolo, ary mety hisy fahagagana ho tonga isan’andro.

Ry namako, irin'Andriamanitra ny hanome anao izay angatahin'ny fonao ! Ary mihoatra noho izany aza, maniry Izy ny mba ho fototry ny fangatahanao, mba ho faniriana lalina indrindra ao anatinao. Rehefa manana Azy ianao dia manana ny zava-drehetra, ary ny zavatra hafa rehetra ankoatr’izay. Eny, hanaraka ho azy ny ambiny !

Koa mihazakazaha any amin’izany lalana izany anio, ary ankafizo ny fanomezana lehibe indrindra : ny fifandraisana Aminy isan’andro, ny dingana rehetra amin’ny fiarahana miaraka Aminy.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.