• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 1, 2026

ANDRIAMANITRY NY FAHAGAGANA

Andro namoahana Sep 1, 2026

Naka fotoana vitsivitsy aho mialohan'ny hanoratako ny antsoiko hoe "fahagagako voalohany". Tsy hoe tsy nisy aingam-panahy akory fa tsy tiako natao kimaimaika teo ity lahatsoratro voalohany ity.  Misaotra ny Tompo indrindra indrindra noho ny fahafahana manompo Azy koa. Inoako fa ahafinaritra ny fiarahantsika eto. Faly aho afaka mifandray aminao eto ary mitondra am-bavaka anao manokana aho.

Mety efa nandalo sedra izay toy ny tonelina lava izay tsy fantatrao hoe amin'ny fomba ahoana ny hivoahana ao angamba ianao? .....Toy ny faktiora marobe tsy maintsy aloa, orinasa tsy maintsy tantanana, fotoan-tsarotra eo amin'ny mpivady, fanaintainana eo amin'ny vatanao izay na dia ny dokotera aza dia tsy afaka nanazava ny antony fa manome anao fanafody fanalefahana fanaintainana fotsiny... Mitaraina amin'Andriamanitra ianao nefa toa midona amin’ny tafon-trano hoy ianao ka tsy misy mandre….Ary rehefa sendra mahatazana hazavana ianao dia toa misy tranga indray mitarika anao hiverina amin’ny lalina….Efa niainanao ve? 

Mamelà ahy hampahery anao anio amin’ity andinin-tsoratra masina izay nomen’Andriamanitra ahy rehefa nangataka fitarihana sy fanampiana avy Aminy aho. "Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao." (Salamo 77:14)

Tsy voatery ho zava-dehibe ny fahagagana fa tranga mihoatry ny natoraly kosa izay tsy afaka hazavaina amin’ny maha-olona. Rehefa nandalo ady aho dia nomeny hery hijoro, ary raha nisy aza ny fanoheran’ny fahavalo amin’ity antsoko ity dia nomeny ahy ny ho feno ny Fanatrehany ka hahazo tari-dalana hanoratra amin’izay. Hoy ny Tompo hoe tsy navelany hitranga ireny satria maniry ny hampijaly ahy izy sanatria fa kosa handratsanany ny foko ahafahako hizara aminao eto izay tiany hampitaiko aminao. 

Koa marina tokoa fa tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Jesosy (Hebreo 13:8) ary avelao Izy hifehy tanteraka ny momba ny fiainanao. Fa efa nanomana fahagagana ho anao ny Tompo amin’io ady lalaovanao io.

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny