Andriamanitra ve tsy manana zavatra hafa hatao ?
Firy ny boky efa novakianao teo amin’ny fiainanao ? 📚 Kanefa rehefa mieritreritra tsara ianao, tsy takatra hoe boky IRAY monja no nomen’Andriamanitra antsika ho an’ny fiainana manontolo ! 😲 Mahagaga ahy izany eritreritra izany…
Fantatrao ireny fotoana ireny angamba, rehefa manokatra Baiboly ianao dia… toa tsy misy miteny aminao. Mety hoe tsy mahakasika antsika ve ny Tenin’Andriamanitra noho ny tsy fanomezantsika lanja azy ?
Indray maraina aho nanokatra ny Baiboliko – tany an-dalana aho tamin’izay ary tsy tena naka fotoana hiarahana amin’Andriamanitra. Teo anelanelan’ny fahatsapana ho meloka sy ireo zavatra manelingelina (“Tokony hanasa an’ireto lamba ireto aho…” 🧺), dia nifantoka tamin’ny Salamo 147 ny masoko : « Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny. » (Salamo 147.4)
Eto dia mety hiteny ianao hoe : “Tsara izany… fa inona no ifandraisany amiko ?” Na koa afaka mampitombo ny fifantohanao ianao – ary tena mahatakatra.
« Milaza ny isan’ny kintana Izy…» (Salamo 147.4)
Nanampy fanamarihana tao anaty Baiboliko aho hoe : “Toy ny hoe tsy manana zavatra tsara kokoa atao Andriamanitra !” 😁 Nahoana Andriamanitra no handany fotoana hanisa ny kintana tsirairay ? Satria sarobidy eo imasony izay noforoniny ! Mikarakara izay nohariany Izy. Ny olombelona mety hiezaka hianatra ny anaran’ny kintana… nefa tsy ho vitany izany !
Fa izay tsy vitan’ny olona dia vitan’Andriamanitra !
Tsy maneho Andriamanitra mikarakara, tia ary akaiky ve izany ? Tsy voaisantsika ny kintana… fa tsy toy izany ho an’Andriamanitra. Tena mampiseho ny heriny sy ny fahendreny izany !
Ary raha jerenao ny manodidina an’io andininy io : miresaka amin’Israely Andriamanitra, vahoaka izay vao avy nandalo fahoriana lehibe. Mampahatsiahy antsika ity andininy ity fa : “Raha Andriamanitra afaka mandamina ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao, tsy ho vitany ve ny mandamina ny fiainanao manontolo ?”
Hitanao ve fa andininy iray monja ao amin’ny Baiboly dia feno harena be ? Makà fotoana hanome lanja izany bebe kokoa, satria ity boky IRAY ity dia tena ampy ho an’ny fiainana manontolo ! 😉