✈️ Andriamanitra ve mba miala sasatra ?
“Andriamanitra ô, tsy tsapako Ianao, nefa efa nanapa-kevitra hiaina miaraka Aminao aho !”
Azo antoka fa efa niainanao ity ! Misy fotoana ahatsapana hoe toa lasa nanao fialan-tsasatra izany Andriamanitra… “Tsy afaka mamela hafatra akory ve Izy ahafantarako hoe mbola eo?”
Ry namako, raha izany no mahazo anao, dia mety misy tian’Andriamanitra ampianarina anao !
Tian'Andriamanitra ny hanamafy ny finoanao bebe kokoa noho izay noeritreretinao ho vitanao ! Tiany ianao hianatra hiantehitra tanteraka Aminy. Fantany fa hainao izany, mba hahatongavana amin’ny tontolon’ny fahagagana izay miandry anao any an-dafin’ilay “finoana kelinao” ankehitriny!
Fa mba hahatratraranao izany, dia ilaina ny mianatra “milomano” aloha…
Toy ny any amoron-dranomasina ihany. Milomano ianao ary tampoka teo, voakasiky ny onja goavana.
Ny onja dia tonga sy mandeha. Indraindray, dia tonga avo sy mahery eo anatrehanao, ka azonao idirana tanteraka (tiako iny an!). Fa misy fotoana koa toa kely sy tsy manan-danja izy.
Toy izany ihany koa ny finoana. Toy izany ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra. Indraindray tena tsapanao ny fisiany eo amin’ny fiainanao, toy ny hoe afaka miditra ao anaty onja ianao. Dia misy koa ny fotoana toa tsy mihetsika anefa, toa tsy misy onjan’ny “finoana” mipoitra. Nefa Andriamanitra dia toy ilay rano, eo foana ihany.
Angamba milamina loatra ny rano amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainanao, ka tsy tsapanao Andriamanitra, ary miteraka adi-tsaina ho anao izany. Raha izany no izy, tiako hampaherezina ianao hoe: “Andriamanitra dia maniry hitsapa ny finoanao !”
Eny, mety hahasosotra izany amin’ny voalohany, fa raha ny marina dia tsara izany satria midika fa matoky anao Izy ary tiany ny hanome zavatra maro kokoa ho anao!
“Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.”(Romana 8.25)
Mahareta, ry namana, fa tsy ho ela dia ho avy ny onja vaovao!
Apetrao ao anaty ranomasin’ny fitokisana ny finoanao, dia ho entin’ny onjan’ny finoana ianao !
