• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 8, 2024

🥽 Andriamanitra no tena Fahamarinana!

Andro namoahana Des 8, 2024

Hofaranantsika anio ny andinin-tsoratra izay tena mahafinaritra mikasika ny nandehanan’I Jesosy ambony rano.

Handeha hiverenantsika kely ny Tenin'Andriamanitra hita omaly. Ny Baiboly dia milaza hoe : “Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao.” (Matio 14:31-33)

Mahaliana ery izany : rehefa nanomboka nanana ahiahy i Petera dia nanomboka ho sahirana nijoro tambonin’ny rano koa izy. Saingy lafatra loatra ny finoana tao amin'i Jesosy ka afaka nanonitra mora foana sy nihazona an’i Petera mba tsy nilentika Izy. Tonga soa aman-tsara teo amin’ilay sambo izy ireo, ary nitsahatra teo ny tafio-drivotra.

Tsarovy mandrakariva izao : izay avy amin'Andriamanitra rehetra dia tsy mandaitra avokoa raha tsy arahin'ny finoana. Amin'ny alalan’ny finoana no ahafahantsika miaina sahady ny Fanjakan’ny lanitra eto an-tany, amin'ny alalan'ny Fahagagana sy ireo famantaran’izany Fanjakana izany.

Ny fanalahidy dia ilay nanontanian’I Jesosy hoe “Nahoana no niahanahana ianao?” . Izay ahiahy izay dia poizina avy amin'ilay ratsy, no sady tsy misy lanjany mihitsy. Tsy efa nanao fahagagana tamin'ny fiainantsika va Andriamanitra tamin'ny fotoan-dasa? Tsy efa nanomboka nandeha tambonin'ny rano va isika, ka nahita ireo fahagagana avy amin'Andriamanitra?

Ny fahavalo dia te hitarika antsika mba hino hoe ilay tafio-drivotra ihany no zava-misy, ary ny finoantsika dia toa fanantenana “poakaty”, tahaka ireny angano ho an'ny ankizy ireny. Te handrava ny finoantsika izy amin'ny alalan'ny fampitahorana, mba tsy hiaritra ao amin'ny fitahian’Andriamanitra isika fa hiverina ao amin'ny fanjakany izay tsy misy afa-tsy fahafatesana sy fandravana.

Saingy raha ny marina dia Andriamanitra no tena Fahamarinana! Ny finoantsika no mahatonga antsika afaka hiaina ny zava-misy marina, dia ny Fanjakan'ny lanitra ho amin'ny fiainantsika. Ohatra hoe, tamin'ny alalan'ny finoana no nahafahan’I Jesosy :

  • Nandeha tambonin'ny rano.
  • Nihazona an'i Petera tsy hilentika.
  • Nampitsahatra ny tafio-drivotra.

Mampitolagaga izany fahagagana izany! Nanaitra ny rehetra ny hery nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny finoana tao amin’I Jesosy.

Ry namako, sokafy ny varavaran’ny fahagagan’Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana! Eny, ny zava-misy avy amin'Andriamanitra irery ihany no tena marina, ary afaka misitraka izany ianao. Am-pelatananao izany!

Aza variana mijery ny rivo-doza, na ireo endrika ivelany! Eo anivon'ny tafio-drivotra no tokony handrosoanao amim-pahavononana, “mijery an'I Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy,” (Hebreo 12:2). Efa nanomana ny fandresena ho anao Izy!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.