Andriamanitra mihitsy no hanomana anao !
“Tsia e… tsy manana traikefa aho !”
Oviana no farany nieritreritra toy izany ianao ? Raha izaho manokana, dia tamin’ny fotoana tsy maintsy nikarakara ny lafiny teknika rehetra amin’ilay fihaonambe izay omaniko amin’izao fotoana izao.
Tsy nanana traikefa tamin’ny fahitalavitra koa aho tamin’ny fotoana nasaina nandray anjara tamin’ny fandaharana iray tena malaza tany Alemana. Tsy tontoloko izany, tsy fantatro akory. Nefa hatramin’ny fahatanorako dia nivavaka foana aho hoe : “Jesosy, tiako ny hanao zavatra misy lanjany eto an-tany, hitondra fanantenana ho an’ny olona.” Nihevitra aho fa handefa ahy any Afrika Izy… Matetika mantsy izany no sary ao an-tsaintsika, sa tsy izany ? Tsy mieritreritra ny tontolon’ny “famirapiratana sy ny lamaody” isika !
Kanefa, eo amin’izay misy anao izao indrindra no itiavan’Andriamanitra anao ! Satria tsy ny traikefanao no zava-dehibe, fa ny fanekenao ny sitrapony…
Ireo teny hoe : “Tsia e, tsy manana traikefa aho !” dia nolazain’i Jeremia koa rehefa nifidy azy Andriamanitra, ka hoy izy : “Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza..” (Jeremia 1.6) Ary tadidinao ve ny valin-tenin’Andriamanitra, tony be : “Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho,” (Jeremia 1.8)
Ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly dia natao ho anao koa. Izany no antony maha-zava-dehibe tokoa ny handraisanao io fahamarinana io ho anao !
Inona ary ilay sehatra izay ihemoranao anio satria mieritreritra ianao hoe tsy ampy traikefa ? Tadidio fa nandeha nianatra tany an-tsekoly koa ianao nefa tsy fantatrao akory izay hianaranao. Kanefa tamin’ny farany dia nahazo zavatra maro ilaina ho an’ny fiainana ianao !
Tsarovy tsara, tsy ny traikefanao no tena zava-dehibe, fa ny fahavononanao. Te hampahery anao hanao io dingana io aho, na dia mampatahotra aza, satria fantatrao fa io no lalana omanin’ Andriamanitra ho anao !